Alakamisy 22 Aogositra 2024

(Hoy Jesosy :) Na zovy na zovy no mandre izany teniko izany ka mankatò azy, dia hoharina amin’ny lehilahy manan-tsaina izy, izay nanorina ny tranony teo ambonin’ny vatolampy… Fa izay rehetra mandre izany teniko izany, nefa tsy mankatò azy, dia hoharina amin’ny lehilahy adala, izay nanorina ny tranony teo ambonin’ny fasika. Matio 7:24, 26

 

Blockhaus

Amin’ny teny alemana, ny hoe „Blockhaus” dia midika hoe „trano bolongany”. Fahiny izany dia trano kely nataon’ny miaramila hiarovan-tena, nasiana tohan-drafitra tamina andry sy vatan-kazo fohy boribory, na koa tatỳ aoriana nasiana varafasy (béton) mafonja be. Fantatry ny Frantsay io teny io, satria marobe ny Blockhaus naorina nandritra ny Ady lehibe faharoa teny amin’ny torapasiky ny morontsiraka Atlantika.

Natao hanakanana fiakarana miaramila an-tanety izy ireny, ka naorina ho mafonja sy tena manaitra. Am-polontaonany tatỳ aoriana anefa dia matetika tototry ny fasika izy ireny ka nitsimbadika tamin’ny fomba mahonena.

Mafy ny Blockhaus, saingy naorina teny ambony fasika. Ny mpahay mari-trano dia mahafantatra hoe azo atao ny manorina trano eny ambony fasika, nefa fotsiny tsy tokony hisy rano mikaoka azy. Manambara izany indrindra ny Filazantsara : ny trano eo ambony fasika dia mijoro tsy mivena, raha mbola tsy tonga ny ranonorana sy riaka (Matio 7:26-27).

Asehon’izany kisarisary izany antsika fa mety hanana endrika tsara etỳ ivelany isika, raha mbola tsy tonga ny fitsapana. Nefa ny fitsapana no manome ny porofo. Ambarany hoe inona ny fanorenan’ny fiainantsika : fasika sa vatolampy.

Ny fasika dia ireo fihevitra ankehitriny na lasa, ampihetsehin’ny „rivotra”. Ny vatolampy dia ny fampianaran’i Jesosy, Irak’Ilay Andriamanitra hatrizay hatrizay ka ho mandrakizay. Izy no Ilay „Vatolampy” (Deoteronomia 32:4).

Tiantsika hiorina tsara ve ny fiainantsika amin’ny lafiny ara-panahy ? Ndao hatoky an’i Jesosy Kristy. Dia ho afaka miroso eo amin’ny lalan’ny fiainana isika, manana antoka miorina eo amin’Ilay Tompontsika sy ny fanetrentena takin’ny toetra maha olombelona antsika.