Zoma 23 Aogositra 2024

Ny mpaminaniny, dia izay manao amin’ny tapa-kazo hoe : Raiko ianao, ary amin’ny vato hoe : Ianao no niteraka ahy ; fa efa niamboho Ahy izy ka tsy nanatrika Ahy. Jeremia 2:26-27

Fa ny andriamanitry ny firenena dia tsinontsinona ; fa Jehovah no nanao ny lanitra. Salamo 96:5

 

Fanindrahindrana ny zavatry ny tany (matérialisme) sy fandavana an’Andriamanitra

Ny andinin-tSoratra Masina androany dia miresaka ireo mpaminany fahiny, nanilika Ilay Andriamanitra tena izy sy nampirisika ny olona hivavaka amina sampy hazo sy vato. Mihatra amin’ny vanimpotoana iainantsika ihany koa anefa io soratra io, manoritsoritra ny fomba fijery materialista ankehitriny, izay miainga amina fanalavirana tanteraka an’Andriamanitra. Io fironana ara-pilôzôfia io dia mikendry hanazava izao tontolo izao, saingy mandà ny fisiana Mpahary.

Ireo materialista mantsy dia milaza ny fiandohantsika sy ny fisiantsika ho avy amin’ny kisendrasendra sy ny raha, na zaka (matière), toy ireo mpaminany fahiny izay nitoky tamin’ny „hazo sy vato”. Ilay Andriamanitry ny Baiboly dia lavina tsy ho Mpahary ary koa tsy ho Mpitsara ! Raha toa aho ka zaka voarindra tsara fotsiny, dia iza no afaka hitana ahy ho tompon’andraikitra, aorianan’ny fahafatesako ? Tsy misy tatitra hatao amin’Andriamanitra intsony ! Dia nisoroka tsy hieritreritra io fanontaniana io ny olona, satria nihevitra ho nahafoana azy io tanteraka. Ka manjary tian’olona maro erỳ ny foto-pisaina materialista sy ny foto-pisaina momba ny fivoarana, na dia mitaky „finoana” betsaka kokoa noho ny Baiboly aza. Iza no hino fa ny solosaina iray, ohatra, dia niforona ho azy ? Ny sasany anefa dia mino fa ny vatan’olombelona, amin’ny fiasany tena sarotra nefa mirindra, dia nipoitra kisendrasendra taoriana-na fivoarana naharitra ela.

Ndao haka fotoana hieritreretana : Amin’ny fotoana hahafatesana, inona no hanome antsika fiadanam-po sy fatokiana ? Ny fahasoavana atolotry ny Andriamanitry ny Baiboly ve ? sa ireo tsangankevitr’olombelona ? Hoy Jesosy Kristy amintsika : „Izay mino [Ahy] no manana fiainana mandrakizay” (Jaona 6:47). Ndao handray io fanomezana io, dieny anio !