Asabotsy 24 Aogositra 2024
Tsy misy mahavotra ny rahalahiny akory, na mahazo manome an’Andriamanitra izay avony (fa sarotra avotra ny ainy, ka tsy azo atao mandrakizay), mba ho velona mandrakizay izy. Salamo 49:7-9
… Ny fiainana mandrakizay izay nampanantenain’Andriamanitra tsy mahay mandainga. Titosy 1:2
„Nandresy tamina tolona maro aho teo amin’ny fiainako, nefa ela vao nanaiky ny saiko hoe na maharesy amina tolona maro aza, dia tsy afaka handresy amin’ny ady. Mba hahafahan’ny olombelona hahavita izany, indray andro any, dia tsy maintsy mila fanampiana avy any ivelany isika, ary izany dia mbola tsy taza-maso akory” (Romain Gary — 1914-1980). Io mpanoratra frantsay io dia nampahatsiahy ny ady natrehiny tamina aretina iray. Nefa ve izy nahita ilay tena fanampiana atỳ ivelany, tamin’ny ady farany natrehiny ?
Miteny amintsika ny mpanoratra ny Salamo 49 hoe ny olona, rehefa mifarana ny fiainany, dia tsy afaka manao na inona na inona mba tsy hametrahana azy ao am-pasana. Nefa manampy koa io mpanoratra io hoe : „Fa Andriamanitra kosa hamonjy ny aiko amin’ny herin’ny fiainan-tsy hita, satria handray ahy Izy” (and 15). Araka izany, milaza marimarina izy fa nahita ilay fanampiana avy atỳ ivelany, dia Andriamanitra mihitsy !
Ny patriarka Joba dia mampahatsiahy ny fahafatesana ho lalana hiafaran’ny areti-mandoza nahazo azy. Nanana fahazoana antoka anefa izy : na dia tsy maintsy ho levona aza ny vatany, dia fantany Ilay hanampy azy. Feno finoana izy nanambara hoe : „Fantatro fa velona ny Mpanavotra ahy” ary „Hahita an’Andriamanitra” aho (Joba 19:25-26).
Ny apostoly Paoly teo amin’ny fiainany dia nandalo toejavatra maro mampivarahontsana : fitoraham-bato azy, faharendrehana an-tsambo, tranomaizina…, nefa nony farany, rehefa hiseho teo anatrehan’ny amperora tany Roma izy, dia nanoratra hoe : „Ary ny Tompo hanafaka ahy amin’ny asa ratsy rehetra, ka hamonjy ahy ho any amin’ny fanjakany any an-danitra” (2 Timoty 4:18). Tamin’ny loza rehetra izy dia nahazo fanampiana avy tatỳ ivelany, antsoiny hoe „ny fitahian’Andriamanitra” (Asan’ny Apostoly 26:22). Ambonin’izany, fantany fa ny Tompo Jesosy dia efa nanomana toerana ho azy any amin’ny fanjakany any an-danitra.