Alahady 25 Aogositra 2024
Izay (Andriamanitra) tsy niaro ny Zanany lahy… Romana 8:32
Indro ny Zanak’ondrin’Andriamanitra, Izay manaisotra ny fahotan’izao tontolo izao ! Jaona 1:29
Mampihetsi-po antsika ny mahita zanak’ondry miampirina eo amin’ny reniny na mandeha eny amina lalan-kely. Mahatsapa ho te hiaro azy isika.
Dia miverina ao an-tsaina ireo andinin-tSoratra Masina roa tanisaina etsy ambony. Raha „antra ny zanany lahy izay manompo azy” ny olona iray (Malakia 3:17), dia nisy kosa andro iray tsy nitsimbinan’Andriamanitra ny Zanany Lahitokana sy malalany, Ilay Zanak’ondrin’Andriamanitra, tonga mba hanaisotra ny fahotan’izao tontolo izao. Nahoana moa ?
Andriamanitra mantsy, ao amin’ny Teniny, dia manambara ny tenany araka ny maha Izy Azy : fitiavana sy fahazavana. Fahasoavana sy fahamarinana. Mba hampifanaraka ny fahasoavan’Andriamanitra amin’ny fahamarinany sy fitsarany tsy misy marimaritra iraisana, dia Izy Andriamanitra mihitsy no nanao sorona Ilay Zanak’ondriny, Ilay Zanany. Natolony ho antsika Izy ary nampitondrainy ny famaizana sahaza ireo fahotana nataontsika. Tamin’izany dia feno ny fepetra takin’ny fahamarinany, ka manjaka „amin’ny fahamarinana” ny fahasoavana (Romana 5:21).
Ndao hiato mba hisaintsaina ireo fijalian’i Jesosy. Ilay tsy nanota na oviana na oviana dia nataon’Andriamanitra ota hamonjy antsika, mba hanjary marina ao aminy isika (2 Korintiana 5:21).
Meloka aho, nefa raha mitoky amin’i Jesosy maty teo amin’ny hazofijaliana sy nitsangana velona indray, dia mahazo antoka hanana famonjena mandrakizay avy amin’Ilay Mpitsara faratampony. Hataoko ahoana ny tsy hampiara-peo amin’ny antoko mpihira any an-danitra hoe : „Ny Zanak’ondry, Izay novonoina, dia mendrika handray… haja sy voninahitra… mandrakizay mandrakizay” (Apokalypsy 5:12- 13).
Ahoana kosa no fandositra raha toa isika tsy mitandrina ny famonjena lehibe nataon’Ilay tsy narovan’Andriamanitra akory ? (Hebreo 2:3).