Alatsinainy 26 Aogositra 2024
Tsy misy marina na dia iray akory aza ; tsy misy izay mahafantatra, tsy misy izay mitady an’Andriamanitra. Samy nania avokoa izy rehetra, samy tsy mahasoa avokoa izy rehetra ; tsy misy izay manao ny tsara, na dia iray akory aza. Romana 3:10-12
Diogène, ilay filôzôfa grika malaza, hono, dia nandehandeha antoandrobenanahary, nitondra fanala sady niteny hoe : „Mitady olona aho”. Mbola tsy nahita olona mendrika hitondra io anarana io izy.
Misy filôzôfa iray hafa, saingy maoderina, mpahay foko, antsoina hoe Claude Lévi-Strauss (1908-2009), nitovy hevitra taminy. Nitety ny kontinanta tsirairay izy, nanokana am-polontaonany nandinihana ny olombelona. Rehefa 80 taona izy dia nisy mpanao gazety nanao ny nantsoiny hoe „fijerena amina radio” (radioscopie) ny fiainany, mba hanatsoahana amin’izany ireo lafiny manan-danja. Rehefa nifarana ny resaka, dia nanontany azy ilay mpanao gazety hoe :
— Ianao izay nihaona tamina olo-malaza maro, iza amin’ireo no mba tianao hifaneraserana ?
— Tsy misy, hoy ny valinteny, fohy sy tsy azo niadian-kevitra.
— Mampalahelo izany ! hoy ilay mpanao gazety, somary nitroatra. Tsy matoky olona izany ianao ?
— Tsy heveriko hoe misy ankehitriny antony lehibe hatokisana olombelona.
Io fiekena io dia hatry ny ela no efa nataon’ny Baiboly. Lazain’ny fiandohan’ny epistily ho an’ny Romana, ohatra, fa mahakivy ny toetran’ny olombelona rehetra (jentilisa, Grika, Jiosy, anisan’izany ireo mpanolotra fananarana sy… ireo filôzôfa). Nefa ny Baiboly dia mampahafantatra ihany koa Ilay tsy mba mandiso fanantenana na oviana na oviana sady mendrika hitokisana tanteraka, dia Jesosy, Ilay Zanak’Andriamanitra, Ilay Mpamonjy izao tontolo izao. Fantatrao ve Izy ? Miara-miaina aminy ve ianao ?