Talata 27 Aogositra 2024

Aza manahy na inona na inona ; fa aoka ny fivavahana sy ny fifonana mbamin’ny fisaorana no hoentinareo manambara ny fangatahanareo amin’Andriamanitra, amin’ny zavatra rehetra. Ary ny fiadanan’Andriamanitra, izay mihoatra noho ny fahalalana rehetra, hiaro ny fonareo sy ny hevitrareo ao amin’i Kristy Jesosy. Filipiana 4:6-7

 

Taratasy novelarina teo anatrehan’Andriamanitra

Nisy taratasy manahirana, tonga tao amin’ny vatan-taratasiko na mety tamin’ny endrika elektronika. Hafatra avy tamina lehibe tsy faly ve, sa taratasy fandroahana, sa fanamarihana mandratra nataona mpampianatra, sa lazam-bidy midangana tsy nampoizina, sa fanomezan-tsiny tao amin’ny tambajotran-tserasera avy amina olon-tiana ? Midobodoboka ny fo. Mikainkona ny vavony. Mikorontana ny saiko. Ahoana no hataoko ? Inona no havaliko ? na hatomboko atao ?

Nieritreritra an’i Hezekia mpanjaka aho (Isaia 37:14-20) : efa tonga indray mandeha teo am-bavahadin’ny tanànan’i Jerosalema ny tafiky ny Asyriana, tafika matanjaka, mba hanao fahirano azy. Niditra an-tsehatra Andriamanitra, ka lasa ny fahavalo. Izao anefa ny mpanjakan’i Asyria dia nampitondra taratasy fandrahonana, feno herisetra sy avonavona. Inona no hatao ? Namaky ny taratasy ny mpanjaka, avy eo nankany an-tempoly. Dia novelariny teo anatrehan’Andriamanitra ilay izy, toy ny hoe nasainy novakiany. Avy eo dia nivavaka izy hoe : „Ry Jehovah… Ianao no nanao ny lanitra sy ny tany… mihainoa ; ahirato ny masonao… vonjeo amin’ny tànany izahay”.

Fihetsika mahafinaritra anie izany e ! Miezaka haka tahaka izany aho. Mitondra amin’Andriamanitra ny fijaliako, ireo fanontaniako, amin’ny alalan’ny vavaka. Mampamaky Azy ireo soratra nandratra ahy, mamela ahy ao anaty fikorontanan-tsaina. Ary mamboraka aminy ny zavatra rehetra, amin’ny alalan’ny vavaka. Izany no ataoko, ny fihetsiko sy ny toejavatra angatahiko aminy mba horaisiny an-tanana. Tiako hapetraka aminy ny fanahiako rehetra, satria Izy no miahy ahy (1 Petera 5:7). Ary ny fiadanan’Andriamanitra, izay mihoatra noho ny fahalalana rehetra, hiaro ny foko sy ny hevitro ao amin’i Kristy Jesosy (Filipiana 4:7).