Alarobia 28 Aogositra 2024

(Hoy Jesosy :) Raha tsy miova ianareo ka ho tonga tahaka ny zazakely, dia tsy hiditra amin’ny fanjakan’ny lanitra mihitsy ianareo. Matio 18:3

 

Toy ireo ankizy kely

Ao amin’ny toejavatra manodidina io andinin-tSoratra Masina io dia hitantsika ny Tompo miteny amin’ny mpianatra hoe hatolotra eo an-tanan’ny olona Izy, ka hovonoin’izy ireo. Fotoana fohy taorianan’izay dia nanatona Azy ireo mpianatra, nametraka ny fanontaniana hoe : „Iza moa no lehibe indrindra ao amin’ny fanjakan’ny lanitra ?”

Zavatra mahazatra mampiasa saina ny olona izany, ary eo anivon’ny mpino koa. Ankizy iray dia efa mampitaha ny tenany sahady amin’ny hafa, ary matetika mitady ny ho voalohany, ny ho matanjaka indrindra…

Tsy mba toy izany anefa ireo ankizy madinika. Tsy eo amin’izany dingana izany izy ireo. Ny ankizy madinika dia mino izay lazaina azy ireo. Miankina fatratra amin’ny olon-dehibe izy ireo, ary matoky azy ireo. Ny ankizy kely iray dia tia manolotra ny tanany amin’ny olon-dehibe, izay mitantana sy miaro azy.

Mba hanomezany fampianarana tsotra sy mazava ny mpianany, Jesosy dia niantso ankizy kely iray ho eo aminy. Tsy natahotra hanatona an’i Jesosy io ankizy kely io. Ambaran’ny filazantsara nosoratan’i Marka antsika fa nametraka ilay ankizy kely teo afovoan’ny mpianatra Izy ary nitrotro azy (Marka 9:36). Zava-mamy iainana ny hoe mivoaka tao amin’ny tena, mivoaka tao amin’ny avonavon’ny tena, miaiky fa tsinontsinona ny tena, ary matoky tanteraka an’i Jesosy. Ka horaisiny akaiky dia akaiky Azy isika. „Koa na zovy na zovy no hanetry tena tahaka ity zazakely ity, dia izy no ho lehibe indrindra amin’ny fanjakan’ny lanitra”, hoy Izy (Matio 18:4). Aza hadinointsika na oviana na oviana fa Izy, Izay Tompo, dia „nanetry tena ka nanaiky hatramin’ny fahafatesana, dia ilay fahafatesana tamin’ny hazofijaliana” (Filipiana 2:8).