Alakamisy 29 Aogositra 2024

Ilay kapiteny… naniraka loholon’ny Jiosy hankeo aminy (Jesosy) hangataka Azy mba ho avy ka hahasitrana ny mpanompony. Lioka 7:3

Mamindrà fo amin’ny zanako ! fa zanako lahitokana izy. Ary, indro, misy fanahy mahazo azy. Lioka 9:38-39

Jairo… niangavy taminy (Jesosy) hiditra ao an-tranony. Fa nanana zanaka vavitokana… izy, ary efa ho faty razazavavy. Lioka 8:41-42

 

Mamindrà fo amin’ny zanako lahy

Fony tetỳ an-tany Jesosy dia tsy sasatra nanao soa sy nanasitrana ireo rehetra azon’ny herin’ny devoly, satria Andriamanitra nomba Azy (Asan’ny Apostoly 10:38). Rehefa manatona an’i Jesosy ny marary iray, dia indraindray anontaniany hoe : „Te ho sitrana va ianao ?”, toy ny nataony tamin’ilay lehilahy nalemy nandritra ny 38 taona. Ohatra ny hafahafa ihany io fanontaniana io, nefa rehefa ampitahaina amin’ilay aretina mahafaty antsoina hoe ota, dia mampiseho fa tsy maintsy miaiky ho mpanota sy tsy mahavonjy tena isika. Amin’izay ny Tompo dia afaka miditra an-tsehatra sy manatanteraka ilay fahagagana antsoina hoe fiovam-po.

Ao amin’ireo andininy voatanisa etsy ambony, dia ray aman-dreny na namana no mitondra ny marary hankeo amin’i Jesosy. Isika rehetra dia samy manana namana, na olona akaiky, na mpiara-monina, izay mbola lavitra an’Andriamanitra. Ireo ohatra ireo dia mampirisika antsika hitondra azy ireny eo amin’ny Tompo, amin’ny alalan’ny vavaka. Mamindra fo Andriamanitra, ary tia mamaly ny vavaka atao am-pinoana. Henony ny fitalahoantsika, ary andrasany isika hanana faharetana satria mino. Tian’Andriamanitra ho voavonjy avokoa ny olona rehetra, koa aoka isika tsy ho kivy.

Ireo andininy voatanisa etsy ambony dia manindry ny teny hoe „tokana” na koa ny fitiavana mampifandray ireo olona ireo. Isika ve tia an-kitsimpo sy lalina ireo olona entintsika am-bavaka ? Angamba nandratra antsika ny sasany tamin’izy ireo ; raha izany, dia ndao hamela heloka azy ireo, satria mety mbola tsy manana ny fitiavan’Andriamanitra ao am-pony izy. Ampirisihin’ny Tompo isika ho tia azy ireo, na eo aza izany rehetra izany.

„Iza indray no azo hovonjena ?… Tsy hain’ny olona izany, fa hain’Andriamanitra ny zavatra rehetra” (Matio 19:25-26).