Zoma 30 Aogositra 2024
Raha misy ianareo tsy manam-pahendrena, aoka izy hangataka amin’Andriamanitra, Izay manome malalaka ho an’ny olona rehetra, sady tsy mandatsa ; ary dia homena azy izany. Jakoba 1:5
Manao fanazaran-tena mitsambikina amin’ireo sakana ny tanora mpitaingin-tsoavaly, ary manara-maso azy ireo tsara ilay mpanazatra. Indro fa nisy soavaly iray niala tsotra izao tsy nandingana ny sakana.
Najanon’ny mpanazatra ilay mpitaingin-tsoavaly ary nanazava izy hoe :
— Tsy notazoninao mafy tsara tamin’ny lamboridy ankavia izy. Namaly ilay mpianatra hoe :
— Eny, saingy nisy alika nivovò !
Nisy soavaly iray hafa nijanona tampoka teo anoloan’ny sakana. Nanazava ny mpanazatra hoe :
— Tokony ho niroso teo amin’ny sakana ianao ary nandona azy moramora tamin’ny voditongotra. Namaly ilay mpitaingina hoe :
— Eny, saingy mafy loha efa hatramin’ny voalohany izy !
Koa najanon’ilay mpanazatra ny andiany manontolo ary noteneniny hoe :
— Aoka izay ny „Eny, saingy” sy fialan-tsiny isan-karazany ! Izao no lazao ahy : „Eny tokoa, tokony ho nitandrina aho ! Eny tokoa, diso aho ka hiezaka hanitsy izany !”
Mba handrosoana eo amin’ny fiainana, dia ndao hiaiky ireo fahadisoantsika, fa tsy hitady fialan-tsiny. Ndao hiekena an-kitsimpo amin’ny Tompo ny zavatra rehetra. Ndao hiaiky eo anatrehan’ilay olona voakasika, ny fahadisoantsika taminy, fa tsy hitady hanamarin-tena. Raha misy fahadisoana marihin’olona amintsika, dia ndao aza hiteny hoe : „Eny tokoa, diso aho”.
Ao anatin’ireo toejavatra sarotra dia ndao hiverina handini-tena, hanontany tena. Mahasoa mandrakariva ny misaintsaina izay zava-mitranga amintsika. Aoka isika tsy hanamaivana ny fizahan-toetra ka tsy hiraharaha izany, na koa ho tezitra na ho kivy aza angamba (jereo Hebreo 12:5-11). Ndao hieritreritra am-pahatoniana, eo anatrehan’Andriamanitra, izay tiany hampianarina antsika.