Asabotsy 31 Aogositra 2024

(Hoy Jesosy :) Indro, efa mitsangana eo am-baravarana Aho ka mandondòna ; raha misy mihaino ny feoko ka mamoha ny varavarana, dia hiditra ao aminy Aho ka hiara-misakafo aminy, ary izy amiko. Apokalypsy 3:20

 

Jesosy tao an-tranon’i Zakaiosy

Tsara vakina : Lioka 19:1-9

Zakaiosy dia mpamory hetra, niasa ho an’ny Romana, ka nankahalain’ny Jiosy mpiray tanindrazana aminy. Naniry hahita an’i Jesosy mandalo izy, ka nianika hazo teo amoron-dalana. Manopy maso vetivety amin’i Jesosy, ary miafina tsy misy mahita, izay no mety aminy ! Saingy nantsoin’i Jesosy izy : „Ry Zakaiosy, midìna faingana ; fa tsy maintsy mitoetra ao an-tranonao Aho anio”. Zavatra tena ilaina maika izany. Fantatr’i Jesosy tsara fa Zakaiosy dia tsy tokony hijanona amin’io fahitana mihelina io, fa mila mihaona manokana amin’ny Mpamonjy.

Fandalovana vetivety any am-piangonana, na ny famakiana fohy pejy toy ity vakinao ity angamba dia ampy anao, nefa tsy ampy an’i Jesosy ! Maniry zavatra betsaka lavitra noho izany Izy, te hametraka fifandraisana manokana aminao, fifandraisana am-po, misy fifampihainoana. Matoa Jesosy Kristy te hiditra eo amin’ny fiainantsika, dia mba hitondra ny famonjena ho antsika : „Anio no tonga eto amin’ity trano ity ny famonjena”.

Nasehon’i Zakaiosy an’i Jesosy ireo asa soa nataony. Tsy ilaina anefa izany ; voalohany indrindra, satria fantany izay rehetra asantsika, na ny tsara na ny ratsy, ary indrindra koa, satria tsy manan-danja ireny mba hahazoana ny fahamarinan’Andriamanitra. Ndao handray ny fahasoavany sy ny famelan-keloka atolony, ary hino ny herin’ny ran’i Jesosy nalatsaka teo amin’ny hazofijaliana, dia ilay sorona miantoka famonjena mandrakizay ho antsika. Avy eo isika dia ho afaka manatanteraka ireo asa tsara namboarin’Andriamanitra mialoha ho antsika (Efesiana 2:10), tsy hoe mba ho mendrika ny lanitra tsy akory, fa mba haneho fisaorana Ilay Mpamonjintsika.