Alahady 1 Septambra 2024
Fa angamba hisy ihany ny sasany sahy maty aza hamonjy ny manao soa. Fa Andriamanitra mampiseho ny fitiavany antsika, fa fony mbola mpanota isika, dia maty hamonjy antsika Kristy. Romana 5:7-8
Noëlla Rouget dia sisa velona avy tany amina toby famonoana olona. Nosamborin’ny gestapô (pôlisy pôlitika alemana) izy tamin’ny volana jona 1943, ary natao sesitany tany Ravensbrück tamin’ny volana janoary 1944. Vao feno 24 taona izy tamin’izay. Nafahana io toby io tamin’ny volana avrily 1945, nilanja 35 kg izy, ary voan’ny raboka, saingy velona, nefa gadra 90 000 no novonoina tao. Tamin’ny taona 1962 dia voasambotra ilay olon-dozan’ny gestapô nandefa azy tany Alemaina. Niafara tamina didim-pitsarana tsy azo ivalozana ny fitsarana azy : voaheloka ho faty ilay mpampijaly.
Koa nanoratra tamin’ny Jeneraly de Gaulle i Noëlla Rouget, nangataka famotsoran-keloka ho an’i Jacques Vasseur. Anisan’ny antony nolazainy ny hoe : „Mino an’Andriamanitra aho, Izy no hany Tompon’ny aina sy ny fahafatesana”. Nanaiky ny fangatahany ny filohan’ny Repoblika, ary nanova ny sazy ho figadrana mandra-pahafaty. Ilay mpanoratra ny tantaram-piainan’io vehivavy io dia nanamarika hoe : „Tsy takatr’ireo namany mihitsy ny fiangaviany”.
Tsy nisy nahatakatra i Noëlla Rouget, nanana ny tena herim-po vokatry ny finoana ; koa ahoana moa no hahatakarantsika ny sorona nataon’i Jesosy, Izay nisolo toerana antsika, nizaka ny fitsaran’Andriamanitra noho ny fahotantsika tsy hita isa ? Azo antoka fa tsy avy amina lalana mifototra ara-tsaina, fa satria isika manaiky, noho ny finoana irery ihany, ny famindrampo natolotr’Andriamanitra antsika, sady misaotra Azy nanana fitiavana toy izany antsika. Ilay Zanak’Andriamanitra dia lehibe lavitra noho izay olona tsara tena miavaka ! Ianao ve afaka miteny hoe : „Ny Zanak’Andriamanitra… efa tia ahy ka nanolotra ny tenany hamonjy ahy” (Galatiana 2:20) ? Eny ve ? Raha izany, dia sambatra ianao !