Alatsinainy 2 Septambra 2024
Koa aoka isika hanatona ny sezafiandrianan’ny fahasoavana amin’ny fahasahiana, mba hahazoantsika famindrampo sy hahitantsika fahasoavana ho famonjena amin’izay andro mahory. Hebreo 4:16
Ao amin’ireo filazantsara dia ray aman-dreny maro no niantso vonjy tamin’i Jesosy, ho an’ny zanany anaty toejavatra manahirana : zanaka azona demonia, marary mafy, ambavahoanan’ny fahafatesana na efa maty. Indraindray dia ny ray, indraindray ny reny, noho ny tebitebiny sy ny sainy mikorontana manoloana ny manjo ny zanany, no tonga mangataka vonjy, mitaraina mafy amin’i Jesosy.
Tsy eto an-tany intsony Jesosy ankehitriny mba hanasitrana, hamoaka ny demonia, na hanangana ny maty. Nefa velona Izy, ary ireo tantara ao amin’ny filazantsara dia eo mba hampirisika antsika hitondra am-bavaka eo amin’ny Tompo ireo zanaka aman-jafintsika :
— Ny zanaka „azon’ny demonia” dia voagejan’ny herin’i Satana, izay manjaka aminy sy managadra azy. Mety mampahatsiahy fiankinan-doha izany. Tsy tandrintandrina dia manaiky hogejaina ny tena, mba ho latsaka ao ambany vahoho-na hery tsy ahafahana miala intsony.
— Ny zanaka „marary” na „ambavahoanan’ny fahafatesana” dia mampahatsiahy tsy fahasalamana ara-panahy ; tsapantsika fa manalavitra ny Tompo izy, ka feno tebiteby sy tsy mahavita na inona na inona isika. Nefa fantatry ny Tompo hoe aiza ny olana. Afaka miditra an-tsehatra Izy, ka manasitrana ilay zanaka marary na ambavahoana.
— Teraka mpanota ny zanatsika ; afaka oharina amina „fahafatesana” ara-panahy ny toerana misy azy alohan’ny hiovany fo. Ny finoana an’i Jesosy no hamindra azy „hiala amin’ny fahafatesana ho amin’ny fiainana” (Efesiana 2:5 ; Jaona 5:24). Ndao hitalahoana ny Tompo hanao izany asa izany ao anatin’ny zanatsika.
Ry ray, reny, ray aman-dreny kristiana, ny vavaka no loharanon-kery tsy mety lany andro hitondrana eo amin’ny Tompo ireo zanatsika sy izay rehetra mahakasika azy.
(isan-kerinandro ao anatin’ny herinandro 6 ny tohiny)