Talata 3 Septambra 2024
Tamin’ny fahafenoany no nandraisantsika rehetra… fahasoavana anampy fahasoavana. Fa ny fahasoavana sy ny fahamarinana… dia tonga tamin’ny alalan’i Jesosy Kristy. Jaona 1:16-17
Ampy ho anao ny fahasoavako ; fa ny heriko dia tanterahina amin’ny fahalemena. 2 Korintiana 12:9
„Tompo ô, rehefa sedrain’ireo toejavatra eo amin’ny fiainana ny fatokiako Anao, rehefa tsapako ho toa tsy mahare ireo vavaka ataoko Ianao, rehefa mipoitra ny fisalasalana na ny fikomiana, dia ampahatsahivinao ahy fa ampy ho ahy ny fahasoavanao, satria ny herinao dia tanterahina amin’ny fahalemena.
Raha misandratra ny avonavoko, rehefa matoky tena aho ka manjary manadino fa tsinontsinona raha tsy eo Ianao, dia ampahatsahivinao ahy fa ampy ny fahasoavanao irery…
Raha tena tsy maharaka intsony ny fandehan-javatra aho, dia tsapako ny harefoko, ny fetrako ; raha mila ho kivy aho, dia ampahatsahivinao ahy koa izany.
Rehefa mahatsapa tena ho mahery sy mamiratra aho, ary ohatra ny mahomby avokoa amin’izay rehetra ataoko, raha mirehareha aho noho ny zava-bitako, dia mbola ampahatsahivinao ahy hatrany izany, satria ny herinao tsy afaka tanterahina amin’ny hamboko.
Raha mandrotika ahy ny fisaonana na ny fijaliana, rehefa mahatratra ahy ny tahotra ny hoavy, rehefa mahatsapa tena ho toa an-taniefitra aho fa tsy ao amina tanin’ahi-maitso, dia averinao lazaina amiko fa ampy ho ahy ny fahasoavanao…
Matetika aho dia mirona hihevitra ny fiainana ho zo, ka mieritreritra fa araka ny tokony ho izy ny zavatsoa omenao, manadino fa avy aminao avokoa ny fanomezana lavorary rehetra. Dia ampahatsahivinao ahy fa ny fikarakarana vokatry ny fahasoavanao no mahafa-po ahy tanteraka. Eny, ry Tompo, fahasoavana avokoa ny zava-drehetra !
Raha manalavitra Anao aho, raha manenika ahy ny fahamelohana ary mamesatra ahy ny otako, dia eo ny fahasoavanao mba hamela heloka ahy, hampitraka ahy indray, hamerina ahy aminao.
Misaotra, ry Tompo, satria ny ainao natolotrao teo amin’ny hazofijaliana no saran’io fahasoavana lehibe aoka izany omenao ahy io.”
Daniel