Alarobia 4 Septambra 2024

Mifankatiava araka ny fifankatiavan’ny mpirahalahy ; mitariha làlana amin’ny fifanomezam-boninahitra. Romana 12:10

Aza avela hisy tsy voaloa na amin’iza na amin’iza, afa-tsy ny fifankatiavanareo ihany. Romana 13:8

 

Samy maka ho azy sa miaraka avokoa ?

Anikeheo maraina ny mpampianatra dia nizara ho an’ny mpianany tsirairay balônina fotsifotsy habontsina ; avy eo dia nasainy nosoratana teo amin’io balônina io ny anarana. Taorianan’izany dia nankany amin’ny efitrano fanaovana fanatanjahan-tena ny iray kilasy ; rehefa nanome baiko ny mpampianatra, dia navotsotra ireo balônina, ary rehefa avy nanidintsidina teny, dia nipetraka tetsy sy teroa nanerana ny efitrano. Nomena dimy minitra ny ankizy mba hitady ny balôniny avy ; nihazakazaka nanketsy sy nankeroa izy ireo, nikaroka ny anarany. Nefa rehefa tapitra ny fotoana nomena, dia vitsy kely ny mpianatra nahita ny balôniny… Dia nanazava ny mpampianatra fa haverina ny fanazaran-tena, saingy amin’ity kosa, ny tsirairay dia handray haingana ny balônina akaiky azy indrindra ary hitondra izany eny amin’ny namany voasoratra anarana eo. Tsy tapitra akory ny roa minitra, dia samy nahazo ny azy avy ny tsirairay !

Ny tanjon’io kilalao niraisana io dia ny hampiseho amin’ny ankizy fa aleo miara-miasa, toy izay samy maka ho azy. Tsy misy olona mahita vetivety izay tadiaviny, raha izy irery no manao izany, am-pitiavantena. Fa raha samy mihevitra ny namany kosa ny tsirairay, dia hahatratra mora kokoa ny tanjony izy rehetra.

Hita ao amin’ny Baiboly izany foto-kevitra izany. Ry kristiana, ndao hihevitra ny hafa, fa tsy hitady ny tombontsoantsika manokana :

— „Mifankatiava fatratra amin’ny fo” (1 Petera 1:22).

— „Mifanompoa amin’ny fitiavana” (Galatiana 5:13).

— „Mifandefera, ka mifamelà heloka ianareo” (Kolosiana 3:13).

— „Mifampivavaha (ianareo)” (Jakoba 5:16).

— „Mifampitondrà izay mahavesatra” (Galatiana 6:2).