Alakamisy 5 Septambra 2024

Ary raha naharitra nanontany Azy ireo, dia nitraka Izy (Jesosy) ka nanao taminy hoe : Izay tsy nanota eo aminareo no aoka hitora-bato azy voalohany. Jaona 8:7

 

Mitora-bato olona

Io fiteny io, izay avy ao amin’ny Baiboly, dia midika hoe manameloka olona diso na nanao fahadisoana.

Mitantara amintsika ohatra manaitra momba izany ny filazantsara nosoratan’i Jaona. Indray maraina dia nisy Jiosy miseho ho mpivavaka, nitondra teo amin’i Jesosy vehivavy iray voampanga ho nijangajanga, ary nanontany Azy raha tokony hotoraham-bato izy io. Raha ny marina, ny zava-nitranga tamin’io vehivavy io dia paika namelaran’ireo Jiosy ireo fandrika mandoza hanamelohana an’i Jesosy ; Izy mantsy no tian’izy ireo hovonoina.

— Raha toa Jesosy mandà tsy hampihatra ny Lalàna, izay mandidy ny hitoraham-bato olona toy izany, dia manohitra ny Tôraha (ny Boky dimy voalohany ao amin’ny Testamenta Taloha) : fihetsika tsy azo leferina, ho ana Jiosy.

— Fa raha toa kosa Jesosy manaiky ny hitoraham-bato io vehivavy io, dia manohitra ny fampianarana rehetra entiny, momba ny fahasoavana sy fahamoram-po ary famindrampo.

Noteren’ireo mpanohitra Azy Jesosy, ka namaly hoe : „Izay tsy nanota eo aminareo no aoka hitora-bato azy voalohany”.

Voakasika tao amin’ny fieritreretany ireto mpiampanga, ka nivoaka tsirairay. Naharihary ny maha mpanota azy ireo ka niala izy ireo, nitondra ny fahamenarany sy niezaka nitandro ny lazany. Fihetsika mampidi-doza ny azy ireo, izay nandao an’i Jesosy, Ilay hany vahaolana amin’ny toe-pahantrana misy azy ireo. Raha mba nijanona teo izy ireo, dia ho nahare ihany koa ny teny feno famindrampo nolazain’i Jesosy tamin’ity vehivavy meloka ity hoe : „Izaho koa dia tsy manameloka anao ; mandehana, ary amin’izao sisa izao dia aza manota intsony” (Jaona 8:11).

Ny famelan-keloka atolotr’i Jesosy sy ny fitiavany ny mpanota dia fanomezana lehibe ahafahan’ireo matoky Azy hanana fiainana madio, lavitry ny ota.