Zoma 6 Septambra 2024

Tompo ô, hankany amin’iza moa izahay ? Ianao no manana ny tenin’ny fiainana mandrakizay. Jaona 6:68

 

Lazao an’i Jesosy ny zava-drehetra !

Tononkira ho an’ireo izay mijaly Reraka ve ianao, feno alahelo ? Lazao an’i Jesosy ny zava-drehetra ! Misokatra tsy tapaka hihaino anao ny fony, Eny ! lazao an’i Jesosy ny zava-drehetra !

 

Lazao an’i Jesosy ny zava-drehetra ! Eny ! lazao Azy avokoa ! Mamy dia mamy ny fandraisany ! Afaka mahatakatra izay lazainao Izy, tiany ny mihaino anao : Lazao azy tsotra fotsiny ny zava-drehetra !

 

Hitany ny masonao menan’ny ranomaso ; Lazao an’i Jesosy ny zava-drehetra ! Fantany ny fonao, fantany ny tebitebinao, Eny ! lazao an’i Jesosy ny zava-drehetra !

 

Raha mitamberina toy ny aloka ny lasanao, Lazao an’i Jesosy ny zava-drehetra ! Ny rany mamafa ny fahotanao tsy hita isa, Eny ! lazao an’i Jesosy ny zava-drehetra !

 

Ary ny ho amin’ny ampitso, izay ahinao mafy, Lazao an’i Jesosy ny zava-drehetra ! Eo akaikinao Izy eny amin’ny lalanao, Eny ! lazao an’i Jesosy ny zava-drehetra !