Asabotsy 7 Septambra 2024

Fa isika rehetra dia samy tsy maintsy ho hita toetra miharihary eo amin’ny fitsaran’i Kristy, mba handraisan’ny olona rehetra izay zavatra nataon’ny tenany, dia araka izay nataony, na tsara na ratsy. 2 Korintiana 5:10

Ary hitako fa, indro, nisy sezafiandrianana fotsy lehibe sy Ilay mipetraka eo amboniny… Ary nahita ny maty aho, na ny lehibe na ny kely, nitsangana teo anoloan’ny sezafiandrianana. Apokalypsy 20:11-12

 

Tribonaly roa

Ao amin’ny Baiboly, Andriamanitra dia antsoina hoe „ny Mpitsara ny tany rehetra” (Genesisy 18:25). Ahitana fiteny mitovitovy amin’izany ao : „Misy tokoa Andriamanitra, Izay mitsara etỳ ambonin’ny tany” (Salamo 58:11) ; „Andriamanitra, Mpitsara ny olona rehetra” (Hebreo 12:23).

Ny olona tsirairay dia tsy maintsy hiseho eo anatrehana fitsarana, any ankoatra (Hebreo 9:27). Ny fiainantsika dia hotombanana eo amin’ny fahazavan’ny fanatrehan’Andriamanitra. Nefa misy fahasamihafana lehibe eo amin’ireo izay nandray an’i Kristy ho Mpamonjy sy ireo izay tsy nino Azy.

— Ny mpino dia „manana fiainana mandrakizay ka tsy hohelohina” (Jaona 5:24). Ny anarany dia „voasoratra ao amin’ny bokin’ny fiainana” (Filipiana 4:3). Ny mpino rehetra dia tsy maintsy hiseho eo amin’ny fitsaran’i Kristy, nefa tsy hohelohina, satria efa nozakain’i Kristy ny famaizana sahaza azy ireo. Hampamoahina momba ny fiainany izy ireo, saingy araka ny maha efa nandray ny fahasoavany azy ireo. Samy haharihary avokoa na ny asan’izy ireo, na ny teniny, ary na ny eritreriny sy ny antony nanosika azy ireo hanao zavatra ihany koa aza. Amina zavatra sasantsasany dia hahatsiaro „fatiantoka” izy ireo ; ary hahazo „valimpitia” amina zavatra hafa, izay vokatry ny fahasoavan’Andriamanitra (1 Korintiana 3:14-15).

— Ireo izay maty tsy nandray ny fahasoavan’Andriamanitra dia hiseho eo amin’ny fitsarany, eo amina „sezafiandrianana fotsy lehibe”, araka ny andraikiny manokana. Izay rehetra nataony dia hahariharin’ny fahazavan’Andriamanitra avokoa, ka tsy hahatanty ny fahamasinan’Andriamanitra. Tsy voasoratra ao amin’ny „bokin’ny fiainana” izy ireo, ka hohelohina, ary eo no ho eo ihany sady tsy azo ihodivirana ny fanamelohana azy ireo (Apokalypsy 20:15). Tsy ho azy ireo intsony ny fahasoavana. Nefa mbola atolotra ankehitriny ho an’ny olona tsirairay eto an-tany.