Alahady 8 Septambra 2024
(Hoy Jesosy tamin’ny mpianany :) Fa Kristy hiaritra ka hitsangana amin’ny maty amin’ny andro fahatelo ; ary mba hotorina amin’ny anarany ny fibebahana sy ny famelan-keloka… Ary ianareo no vavolombelon’izany. Lioka 24:46-48
Saoly avy any Tarsosy dia nanatrika sy nanaiky ny fitoraham-bato an’i Stefana, ilay maritiora kristiana voalohany. Stefana dia nilaza an’i Jesosy ho „Ilay Marina” (Asan’ny Apostoly 7:52). Ho an’i Saoly anefa, io „Marina” io dia mpamitaka, ary rariny mihitsy ny nanomboana Azy teo amin’ny hazofijaliana. Nihevitra ny tenany ho tsy nisy hokianina i Saoly tamin’ny fanarahany ny Lalànan’Andriamanitra, ary niady tamin’izay noheveriny ho fivaonam-pinoana ratsy indrindra.
Nankany Damaskosy i Saoly mba hanenjika kristiana, no lavo ara-bakiteny, satria nisy mazava avy tany an-danitra nanelatrelatra tampoka nanodidina azy. Dia nianjera tamin’ny tany izy ary nahare ny feon’ny Tompo Jesosy niantso azy hoe : „Saoly, Saoly, nahoana ianao no manenjika Ahy ?” Rehefa nanenjika ny kristiana izy, dia Jesosy tenany mihitsy no nenjehiny. „Rehefa nahirany ny masony, dia tsy nahita na inona na inona izy”. Nefa rehefa avy niresaka tamin’i Ananiasy, izay mpino mahatoky, izy, „dia nisy zavatra toy ny kiran’ny hazandrano niala avy tamin’ny masony, dia nahiratra izy”.
Voan’ny hajambana aloha i Saoly, fa avy eo kosa dia fijery vaovao no nijereny an’i Jesosy. Ho an’i Saoly dia tsy mpamitaka maty teo amin’ny hazofijaliana intsony Jesosy, fa velona, nitsangana velona indray ! Dia nanambara avy hatrany i Saoly fa Jesosy no Ilay Zanak’Andriamanitra. Niova tanteraka ny fiainany : nanomboka teo izy dia niaina am-patokiana feno Ilay naneho ny tenany taminy.
Araka izany i Saoly, izay nanjary apostoly Paoly, dia nifanena tamin’i Jesosy nitsangana velona indray, aloha. Avy eo dia takany ny maha zava-dehibe ny fahalalana Azy ho „Jesosy Kristy… voahombo tamin’ny hazofijaliana” (1 Korintiana 2:2). Ny votoatin’ny Filazantsara dia ny fahafatesan’ny Tompo, nefa koa ny fitsanganany velona indray. Velona Jesosy !