Alatsinainy 9 Septambra 2024

Jesosy nanontany an-drainy hoe : Ohatrinona izay no nahatongavan’izao taminy ? Ary hoy izy : Hatry ny fony izy mbola zaza… Fa raha mba misy hainao, dia mamindrà fo aminay, ka vonjeo izahay. Fa hoy Jesosy taminy : Hainao hoe ? Ny zavatra rehetra dia hain’ny mino. Marka 9:21-23

 

Jesosy sy ny ray aman-dreny (2) — Marka 9:14-27

Nitondra teo amin’i Jesosy ny zanany lahy azon’ny demonia ity raim-pianakaviana iray : tsy nahay nanasitrana azy io ny mpianatra. Nanontanian’i Jesosy ilay ray, izay nitantara ny hasiahan’io fanahy „moana” io, nitady imbetsaka hamono ilay ankizy. Nitalaho tamin’i Jesosy ny rainy hoe : „Raha mba misy hainao, dia… vonjeo izahay”. Teny mitory tsy finoana io hoe „raha mba misy hainao” io, novalin’i Jesosy tamin’ny antso hoe : „Ny zavatra rehetra dia hain’ny mino”. Namaly tan-dranomaso ilay raim-pianakaviana hoe : „Mino aho ; vonjeo aho ho afaka amin’ny tsy finoako”. Dia noroahin’i Jesosy ilay demonia, nantsoiny hoe „fanahy moana sy marenina”. Nivoaka tan-kerisetra sady ninananana ilay fanahy, namela ilay ankizy teo amin’ny tany, tsy nihetsika. Toa maty ny fahitana azy. Nefa noraisin’i Jesosy tamin’ny tanany izy, ary natolony an-drainy.

— Teto ny mpianatra dia tsy nahavita nanao na inona na inona. Tsy tian’ny Tompo haseho amin’ny mpanompony ve fa Izy mandrakariva no mitondra ny fanafahana ?

— Tsy misy fetra ny zavatra hain’ny Tompo atao. Ny tsy finoantsika no sakana !

— Ny finoan’ilay raim-pianakaviana dia nifangaro tsy finoana ihany, toy ny finoantsika, matetika. Nalahelo ny Tompo noho ity ray tsy ampy finoana, nefa tsy nandao azy na izany aza, fa namaly ilay finoany kely.

— Niresaka fanahy moana ilay ray. Ny Tompo anefa mahafantatra tsara kokoa ny haratsin’ny toejava-nisy, ka niteny tamina fanahy „moana sy marenina”. Na marenina aza anefa io fanahy io, dia nahare ny feon’ny Zanak’Andriamanitra ka nankatò !

— Tsy tanteraka tsy misy fijaliana ny fanafahana ; nijaly ilay ankizy, ary toy ny maty mihitsy aza. Nefa Jesosy tsy manafaka amin’ny ampahany, ary natolony an-drainy ilay ankizy (Lioka 9:42).