Talata 10 Septambra 2024
Manalavira izay teny lainga. Eksodosy 23:7
Mamin’ny olona ny hanina azo amin’ny fitaka ; kanjo ho feno fasika ny vavany any am-parany. Ohabolana 20:17
Ato amin’ny fiarahamonina iainantsika dia ny lainga misy fiantraikany ratsy amin’ny fananana sy zon’ny hafa ihany no sazin’ny lalàna. Ny lainga anefa dia mifamatotra amina zavamisy ara-toe-panahy aman-tsaina toy ny tsy fahamarinana, ny fivadihana, ny famitahana… fa ny marina kosa dia mifamatotra amin’ny rariny, ny fahitsiam-po, ny fatokiana… Kristy dia niaina sy nampianatra tanteraka ireo hatsarana ara-pitondrantena ireo. Ankehitriny dia manalavitra ny finoana kristiana ny olona, ary manamafy ny fieritreretany izany manodidina iainana izany : inona tokoa moa no maha zava-dehibe ny hoe mitoetra ho mahitsy fo, raha toa ka tsy miraharaha an’Andriamanitra ?
Ankehitriny isika dia toa efa ato anatin’ilay vanimpotoana lazain’ny Baiboly hoe : maro ny „hampiala ny sofiny amin’ny teny marina tokoa… ka hivily ho amin’ny anganongano” (2 Timoty 4:4). Amin’izao fotoana izao ny haino aman-jery, indrindra ireo vaovao hamitahana, dia manova ho mahazatra ny fiitatry ny lainga mbamin’ny „tsikombakomba”. Raha ny marina, izao tontolo izao sy ny fomba fisainany dia tarihin’i Satana, ilay „rain’ny lainga” (Jaona 8:44) sy „andrianan’izao tontolo izao”.
Aorianan’ny hampiakaran’i Jesosy ny mpino, ho any an-danitra, Andriamanitra dia handefa „fiàsan’ny fahadisoan-kevitra aminy (amin’ireo izay ho very), hinoany ny lainga” (2 Tesaloniana 2:11). Amin’izao fotoana izao ny fandaozana ireo hatsarana ara-pitondrantena dia manomana ireo zava-hitranga ireo. Mba hiarovana ny mpino tsy ho azon’io fihemorana io mandra-piverin’i Jesosy, dia nivavaka tamin’ny Ray Izy ho an’ny mpino, hoe : „Tsy naman’izao tontolo izao izy, tahaka Ahy tsy naman’izao tontolo izao. Manamasìna azy amin’ny fahamarinana ; ny teninao no fahamarinana” (Jaona 17:16-17).