Alarobia 11 Septambra 2024

Mandra-pahoviana no hiroa saina ianareo ? Raha Jehovah no Andriamanitra, manaraha Azy. 1 Mpanjaka 18:21

Fidionareo anio ary izay hotompoinareo. Josoa 24:15

 

Tsy mahazo manao fahadisoana

Tany an-tsekoly ambaratonga voalohany, raha nanontaniana ahy izay tiako hatao any aoriana, dia tsy ho nisalasala aho namaly hoe : „mpampianatra”. Nazava ny safidiko, noho ny antony tsotra fotsiny hoe ilay mpampianatra ahy no olon-dehibe nigagako indrindra teto an-tany.

Misy safidy atrehina tokoa mantsy eo amin’ny fiainana : asa, vady, fonenana, sns. Ary raha diso amin’izany dia mety hiharana voka-dratsy mavesa-danja. Nefa misy safidy iray apetrak’Andriamanitra eo anoloantsika, tsy azo anaovana fahadisoana : „Efa nataoko teo anoloanao ny fiainana sy ny fahafatesana ary ny fitahiana sy ny fanozonana ; koa mifidiana ny fiainana, mba ho velona ianao…, dia ny ho tia an’i Jehovah Andriamanitrao ianao, ka hihaino ny feony sy hifikitra aminy” (Deoteronomia 30:19-20).

Aza mihevitra isika hoe ny fahasoavan’Andriamanitra dia manala ny andraikitsika hitodika aminy, hihaino izay lazainy antsika am-pitiavana. Raha mandray io andraikitra io isika, dia hanapaka ao am-pontsika sy ao amin’ny fieritreretantsika ny Teniny. Ho azontsika eo aminy ny hery hanaovantsika izay lazainy antsika, izany hoe hankatò Azy. Tamina lahateniny ho an’ny Ateniana (Asan’ny Apostoly 17:30-31) ny apostoly Paoly dia nanambara fa ny Filazantsara dia tsy safidy tokony hataontsika fotsiny fotsiny, fa didy tsy maintsy ankatoavintsika, satria Andriamanitra te hamonjy antsika ho afaka amin’ny fahaverezana sy ny fitsarana. Nanoratra tamin’ny kristiana tany Roma izy hoe : „Nefa tsy izy rehetra no nanaiky ny teny soa mahafaly” (Romana 10:16). Petera dia niresaka momba ireo „izay tsy manaiky ny filazantsaran’Andriamanitra” (1 Petera 4:17). Ary i Jaona koa dia nanambara hoe : „Izay mino ny Zanaka, manana fiainana mandrakizay ; fa izay tsy mino ny Zanaka dia tsy hahita fiainana” (Jaona 3:36). Ny hoe mino ny Tompo Jesosy dia midika ihany koa hoe mankatò Azy.