Alakamisy 12 Septambra 2024
Indro, lehibe Andriamanitra, kanefa tsy mba mamingavinga. Joba 36:5
Jehovah Andriamanitro ô, nitaraina taminao aho, dia nahasitrana ahy Ianao. Salamo 30:2
Mihazatra mandrakariva amin’ireo zava-doza indrindra ny olona, amin’ny farany. Indrindra rehefa ny hafa no iharan’izany. Nizatra tamin’ny SIDA isika, ohatra, ka tsy dia miresaka izany intsony ankehitriny ! Afa-tsy ireo izay voany. Ho an’ny maro amin’izy ireo mantsy, dia efa mby an-koditra ny aretina, mikiky azy, na eo aza ny fitsaboana atao.
Misy amin’ireo mpamaky anay ve, mijaly mangina, tsy misy miraharaha, noho ny aretina tsy afaka resahiny ? Tsy fantatray ny fijalianao, nefa avelao izahay hibitsika eo an-tsofinao ireto teny vitsivitsy ireto.
Tondroin’ny olona molotra angamba ianao. Mety mahatsapa tsy rariny, na mifanohitra amin’izany, fahamelohana, mety sahiran-tsaina, ary mihevitra fa tsy misy fanantenana intsony. Liana aminao anefa Jesosy Kristy, Ilay Zanak’Andriamanitra, ary manana valiny ho anao. Tsy mandà an’iza na iza Izy. Mandray antsika malalaka Izy, amin’ny maha isika antsika. Ny tanjony voalohany dia ny hampiseho aminao ny fitiavana tsy misy fetran’Ilay Mpahary anao, ny hanatanteraka fanasitranana anaty ao aminao. Fanasitranana amin’ilay „tsimokaretina” mampidi-doza indrindra, izay mahazo antsika rehetra, dia ny ota, izay manasaraka ny olona amin’Ilay Mpahary azy, ary manameloka azy ho amina fahoriana tsy misy farany. Jesosy dia tsy mba manameloka antsika. Nijaly ho antsika Izy, Ilay marina, mba hamonjy antsika tsy marina, ka hahatonga antsika ho lavorary ary hitondra antsika ho amin’Andriamanitra. Tsy manam-petra ny fitiavany, ka dia tsy hiraika amin’ny fitarainanao ve Izy ? tsy hihevitra ny hiakanao mamoy fo ? Tsia, henony ianao, ary fantany raha te hanankina aminy amin’ny fonao manontolo ny fiainanao. Na ao anaty fijaliana aza ianao, dia mahery Izy mba hampandresy anao. Ary rehefa miara-miaina amin’Andriamanitra, dia miova daholo ny fomba fijerintsika. Ry sakaiza, vakio ny Filazantsara !