Zoma 13 Septambra 2024

(Hoy ny fahendren’Andriamanitra hoe :) Tiako izay tia ahy ; ary izay fatra-pitady ahy dia hahita ahy. Ohabolana 8:17

Matokia an’i Jehovah amin’ny fonao rehetra, fa aza miankina amin’ny fahalalanao ; maneke Azy amin’ny alehanao rehetra, fa Izy handamina ny làlanao. Ohabolana 3:5-6

 

Misy Andriamanitra ve ? (1)

„Hatrany amin’ny sekoly ambaratonga voalohany aho dia efa babon’ny resaka faharanitan-tsaina. Rehefa nihalehibe aho dia nitonon-tena ho tsy mino ny fisian’Andriamanitra. Nataoko tsinontsinona ireo izay nino an’Andriamanitra, satria mantsy tsy mila an’Andriamanitra ny olona marani-tsaina ; sa ahoana ? Tany amin’ny ambaratonga faharoa aho dia nitaiza zanaka mpivady tanora samy dokotera, mamiratra, ary talanjona nahita hoe mino an’Andriamanitra izy ireo. Nampirisihin’izy mivady aho hamaky ny Baiboly. Tsy resy lahatra aho, nefa nanao anakampo hoe tokony hamaky ilay boky maro mpividy indrindra tamin’ny fotoana rehetra.

Notoroin’izy ireo hevitra aho hanomboka amin’ny bokin’ny Ohabolana. Gaga aoka izany aho fa tena feno fahendrena ireo pejy rehetra tao. Na dia tsy nahare feo mihitsy aza aho, dia nanana fahatsapana hafahafa toy ny hoe voantso. Nahalasa saina ahy izany, ary nanintona ahy koa tamina fomba saro-pantarina. Dia nanomboka nanontany tena aho hoe mety hisy Andriamanitra tokoa ve.

Fa angamba ny kolontsaina niainako —izay kristiana na Jiosy ny ankamaroan’ny olona tao- dia nitady hampahita ahy ny finoana kristiana ho manintona ? Koa nandinika ny bodisma sy ny hindoisma ary karazam-pivavahana hafa aho. Nitsidika tempoly, synagoga, môsike ary toerana masina samihafa aho, naniry hamarana faran’izay haingana io resaka Andriamanitra io. Saingy nisy ady mangotraka tato anatiko. Sady naniry handany fotoana betsaka kokoa amin’Ilay Andriamanitry ny Baiboly aho, no tsy te hieritreritra ireo lohahevitra ireo intsony. Tsy te hino an’Andriamanitra aho, nefa nahatsapa manokana ny fitiavany sy ny fanatrehany, na izany aza.”

(rahampitso ny tohiny)