Asabotsy 14 Septambra 2024

Jesosy niteny tamin’ny olona indray ka nanao hoe : Izaho no fahazavan’izao tontolo izao ; izay manaraka Ahy tsy mba handeha amin’ny maizina, fa hanana ny fahazavan’aina. Jaona 8:12

 

Izy ve no Tompon’ny fiainako ? (2)

„Nitonon-tena ho tsy mino ny fisian’Andriamanitra aho, nefa namaky ny Baiboly. Tamin’ny taona voalohany teny amin’ny anjerimanontolo dia nisy mpianatra nanasa ahy hanatrika fivoriana kristiana iray. Tao ilay mpitoriteny dia nametraka fanontaniana roa : „Fantatrao ve fa misy fahasamihafana lehibe eo amin’ny hoe mino fa misy Andriamanitra sy ny hoe manaraka an’Andriamanitra ?” Ary nanampy izy hoe : „Iza no arahinao ? Iza no Tompon’ny fiainanao ?”

Lasa saina fatratra aho. Tena te hitarika ny fiainako tokoa ve Andriamanitra ? Ny harivan’io aho dia sambany teo amin’ny fiainako no nivavaka, nefa mbola feno fisalasalana. Nangatahiko Jesosy ho Tompon’ny fiainako.

Tamin’ireo andro nanaraka dia niova tamina fomba mampitolagaga ny tontolom-piainako, toy ny hoe fiainana foana tsy niloko afa-tsy mainty sy fotsy no niova tampoka ho feno loko sy nivelatra ho telo refy.

Toy ny hoe rehefa misy singa iray hadino tsy ao amina fanakambanana mekanika, dia tsy mandeha tsara ilay izy. Fa rehefa atao ao kosa ilay singa tsy ampy, dia mandeha tsara ny zavatra rehetra. Izany no tsapako rehefa nametraka ny fiainako teo ampelatanan’Andriamanitra. Noheveriko fa nandeha tsara ny fiainako hatreto, nefa rehefa„voamboatra”dia tena nandeha tsara lavitra tsy anoharana ! Tsy midika anefa izany, hoe tsy nisy nampijaly ahy mihitsy nanomboka tamin’ny andro niovako fo —tsy izany velively. Fa tamin’ny toejavatra rehetra dia afaka nitoky tamin’ny itarihan’Andriamanitra sy ny fanohanany ary ny fiarovany aho.

Nihevitra ho narani-tsaina loatra aho, ka noho izany, tsy nino an’Andriamanitra. Ankehitriny dia fantatro fa feno avonavona sy kely saina aho, tsy niraharaha an’i Jesosy, Ilay Mpahary izao tontolo rehetra izao. Ary maniry aho hiara-dia aminy, am-panetrentena.”

Rosalind Picard