Alahady 15 Septambra 2024
(Hoy Jesosy :) Mankanesa atỳ amiko, ianareo rehetra izay miasa fatratra sy mavesatra entana, fa Izaho no hanome anareo fitsaharana. Ento ny ziogako, ka mianara amiko ; fa malemy fanahy sady tsy miavona am-po Aho ; dia hahita fitsaharana ho an’ny fanahinareo ianareo. Matio 11:28-29
Ao amina tantara iray ao amin’ny Baiboly, ny mpaminany Elia dia niampanga ireo mpiray tanindrazana aminy ho niala tamin’Andriamanitra (1 Mpanjaka 19). Nihevi-tena ho irery hany tsy nivadika izy ka nitoka-monina, diso fanantenana. Mitondra lesona ny fomba nikarakaran’Andriamanitra an’i Elia. Tamin’ny feo malefaka no nitenenan’Andriamanitra taminy. Nasainy nampody hery i Elia, nasainy niverina any amin’ny toerana nialany, ary nilazany fa misy olona 7000 izay tsy nivadika taminy. Tsy nanome tsiny azy Andriamanitra, nefa nampiseho taminy fa tsy tokony hijanona ho irery izy.
Matetika isika dia manao toa an’i Elia. Rehefa tsy mitsaha-mieritreritra ireo olana manjo antsika isika, dia vao mainka manitatra azy ireo, hany ka mihevitra fa nilaozan’Andriamanitra.
Loharanon-kery roa no omen’Andriamanitra antsika :
— Jesosy Kristy, Izay niaina ihany koa ny tsy fahatakaran’ny olona Azy, ny hatrotrahana, fony Izy nandeha tetỳ an-tany. Na ireo mpianany aza, dia matetika no tsy nahatakatra Azy. Hoy Izy amintsika : „Mianara amiko… Indro Izaho momba anareo mandrakariva” (Matio 11:29 ; 28:20). Tsy misy mahasaraka antsika amin’ny fitiavany. Ambarao malalaka aminy ny fahoriantsika, mihaino antsika am-pitiavana Izy.
— Ny fianakaviana kristiana. „Endrey ! manao ahoana ny fitiavana nasehon’ny Ray ho antsika, dia ny niantsoana antsika hoe zanak’Andriamanitra” (1 Jaona 3:1). Ny mpino dia voarafitra ho fianakaviana iray amina rahalahy sy anabavy mifampihaino sy mifanampy. Maty Jesosy, mba „hanangona ny zanak’Andriamanitra, izay efa niely, ho antoko iray” (Jaona 11:52). Aza mijanona ho irery isika, satria samy mila ny hafa. Marefo ny olona mitoka-monina. Fiarovana ho antsika ny mitoetra akaikina mpino hafa.
Ndao hotsarovana ny hamoram-panahin’Andriamanitra, izay tsy mba mitsahatra ; ndao hiasa am-pahasoavana sy hikarakara ny hafa.