Alatsinainy 16 Septambra 2024
Hoy ilay tandapa taminy : Tompoko, midìna re, dieny tsy mbola maty ny zanako. Hoy Jesosy taminy : Andeha mody ; velona ny zanakao. Ary ralehilahy nino ny teny izay nolazain’i Jesosy taminy, ka dia lasa nody. Jaona 4:49-50
Jesosy dia tany Kana any Galilia ; nanao fahagagana nibaribary Izy, tao amina fampakarambady iray, tamin’ny nanovany ny rano ho divay. Tany amin’ny telopolo kilometatra tany ho any dia nisy tandapan’i Heroda, nanan-janaka marary mafy. Nanapa-kevitra izy hitady an’i Jesosy, Izay nanao fahagagana misongadina, ary azo antoka fa afaka hanasitrana ilay zanany. Koa rehefa tonga tany Kana izy dia niangavy an’i Jesosy mba handeha ho any amin’ny zanany lahy, izay efa ho faty. Nisedra ilay raim-pianakaviana aloha Jesosy, tamina fanamarihana nitsapany ny finoany. Tsy maintsy mila fahagagana ve izy vao hino ? Nandeha anefa ny fotoana, ka feno tebiteby ilay raim-pianakaviana, niangavy an’i Jesosy mba ho avy, dieny mbola tsy maty ilay ankizy.
Tsy nihetsika Jesosy. Nasainy nandeha nody ilay ray, satria efa sitrana ny zanany. Nino izany teny izany ilay ray, ka lasa nandeha. Nasehon’io raim-pianakaviana io, tamin’izany fihetsika mahafinaritra izany, fa tsy niorina tamina fahagagana tsy akory ny finoany, fa tamin’i Jesosy mihitsy sy ny teniny. Mbola teny an-dalana izy no nisy nilaza taminy fa nihatsara ny zanany. Niala taminy ny tazo tamin’ny fotoana nitenenan’i Jesosy indrindra ! Nihamafy tamin’izany ny finoany, ary voatarika hino koa ny ankohonany manontolo !
— Tsy miasa foana araka izay andrasantsika Jesosy, nefa dia tena miasa.
— Matetika Izy no mitsapa ny finoantsika, mba hahasoa antsika. Nefa na oviana na oviana Izy tsy manao mihoatra noho izay afaka ho zakantsika.
— Afaka mikarakara ny zanatsika Izy, na dia tsy manatrika eo aza isika. Tsy mila antsika Izy, nefa mikarakara antsika, toy ny ataony amin’ny zanatsika.
— Manome haja Azy ny finoantsika, ka valiany.
Ndao raisina amin’ny teniny Jesosy !