Alarobia 18 Septambra 2024

Fa iza no olona mahalala ny ao am-pon’olona, afa-tsy ny fanahin’ny olona izay ao anatiny ihany ? Ary toy izany koa, tsy misy mahalala ny ao am-pon’Andriamanitra, afa-tsy ny Fanahin’Andriamanitra ihany. 1 Korintiana 2:11

 

Ireo fetrantsika

Mandraisa anie zavatra miendrika varingarina, toy ny kapoaka, ohatra. Ataovy eo amina taratasy ny sariny, jerena avy amin’ny lafiny, ary avy eo ambony koa. Hahazo mahitsizoro sy faribolana ianao. Rehefa mijery ireo sary roa ireo isika dia sahirana hino hoe zavatra tokana ihany no asehony ! Nefa mikaona tanteraka ireo sary roa ireo, raha jerena amin’ny lafiny telo, ary manome sary mivaingana.

Rehefa mamaky ny Baiboly isika, dia mahita zavatra sasantsasany toa mifanohitra. Ny anton’izany dia satria voafetra ny saina maha olona antsika.

„Andriamanitra… tia ny olona rehetra hovonjena” (1 Timoty 2:3-4) ; nefa ny andalan-tsoratra ao amin’ny Apokalypsy 20:12-15 dia miresaka olona hotsaraina ary ho any amin’ny helo. Toa mifanohitra ireo fanambarana ara-Baiboly ireo.

Toy izany koa, hatramin’ny voalohany Andriamanitra araka ny fiandrianany dia efa nifidy olona hovonjena (2 Tesaloniana 2:13). Ny tsirairay anefa dia tompon’andraikitra handray ny famonjena ho an’ny tenany manokana (Asan’ny Apostoly 16:31). Toa tsy mifanaraka ny fahitantsika izany ! Andriamanitra anefa tsy miteny hoe tsy nifidy anao. Tsy misy olona, na iray aza, izay nandà ny famonjena, afaka hanome tsiny an’Andriamanitra satria tsy nofidiny mba hovonjena.

Fiandrianan’Andriamanitra sy andraikitry ny olona : fahamarinana ara-Baiboly roa loha, izay tsy takatry ny sain’olombelona. Koa ndao hitoetra hanetry tena, eo anoloanan’ny Tenin’Andriamanitra, hahatsiaro fa tsy misy tsy fahamarinana ao amin’Andriamanitra (Romana 9:14), ary indrindra handray am-pinoana fotsiny ny hafatra mirakitra fitiavana omen’Andriamanitra antsika.