Alakamisy 19 Septambra 2024

Miomàna hihaona amin’Andriamanitrao. Amosa 4:12

Henoy ny feoko, dia ho Andriamanitrareo Aho. Jeremia 7:23

 

Vonona

Amin’ny fiandohan’ny taona dia fomba ny mifampirary soa. Re matetika ny firariana „ho ela velona araka izay tratra ka ho salama tsara”. Nefa ny antontanisa dia milaza fa isaky ny segondra iray dia misy, farafahakeliny, olona iray maty eto amin’izao tontolo izao. Mba naka fotoana hiomanana ho amin’izany ve izy ? Ezahina halavirina io fotoana hahafatesana io, izay mijanona ho „ilay mpanjaka mampahatahotra indrindra” (Joba 18:14), ho an’ireo izay tsy manana ny famonjena sy ny fidanana ao amin’i Jesosy. Ny mpanjakavavin’i Angletera Elisabeta I, hono, talohan’ny hahafatesany, dia vonona hanolotra ny harem-beny ho an’izay olona afaka hanome azy tombom-piainana iray minitra fotsiny.

Ny fotoana dia toy ny ony mikoriana tsy hay sakanana. Ony mitondra antsika rehetra ho amin’ny „ora farany”. Voafaritra eo ny fiafaran’ny safidim-piainantsika, ary tsy ho azo iverenana intsony :

— Ny fahasambarana mandrakizay any an-danitra miaraka amin’ny Tompo, raha toa isika nametraka ny fatokiantsika taminy ;

— Ny fijaliana lavitra Azy, raha toa isika tsy nila Azy.

Tia ny haha voavonjy ny olona rehetra Andriamanitra, ka mandidy azy ireo hibebaka (1 Timoty 2:4 ; Asan’ny Apostoly 17:30). Ny hamoram-panahiny, izay nahariharin’i Jesosy, dia mitaona antsika hibebaka. Hanao ahoana ny ampitso ? Miankina amin’ny fankatoavantsika an’Andriamanitra ny hoavintsika mandrakizay !

Izao no soratra hita eo amina famantaranandro aloka iray : „Suprema haec mortis forsan tibi”, izay midika hoe : „Mety ho ity no ora farany, dia ny ora hahafatesanao.”

Minoa an’i Jesosy, izao ankehitriny izao !