Zoma 20 Septambra 2024

Izay tsy mino kosa dia efa voaheloka rahateo, satria tsy nino ny anaran’ny Zanaka Lahitokan’Andriamanitra izy. Jaona 3:18

Izay mino ny Zanaka, manana fiainana mandrakizay. Jaona 3:36

 

Tombana diso

Ilay mpitsabo mpandidy alemana Ferdinand Sauerbruch no nanokatra lalana ho an’ny fandidiana ny tratra momba ny fo sy avokavoka, tamin’ny fiandohan’ny taonjato faha-20. Izany dia noho ny efitrano ambany tsindrin-drivotraiahafahana manokatra ny tratra. Rehefa antitra izy dia nanoratra ny tantaram-piainany, izay nofaranany tamina fampitahana amin’ny fitsarana farany. Naminavina izao resaka amin’Andriamanitra izao izy :

— Iza no afaka mijoro ho vavolombelona hanome rariny anao ?

Namaly i dokotera Sauerbruch hoe :

— Manantena aho fa hijoro ho vavolombeloko ny olona rehetra niharan-doza na narary izay nodidiko ka navotako aina.

Nanao ilay fahadisoana mahazatra aoka izany izy, nihevitra hoe Andriamanitra dia hankasitraka azy noho ireo asa soa vitany, ary hisy olona hafa hiaro azy eo anatrehan’Ilay Andriamanitra marina. Raha tsy nanana fanantenana hafa izy rehefa maty tamin’ny taona 1951, dia tsy ho nahazo ny fankasitrahan’Andriamanitra ; satria ny hany fomba hahavoavonjy dia ny miaiky ny maha isika antsika eo anatrehan’Andriamanitra, sy ny mametraka ny finoantsika ao amin’ny sorona nataon’i Jesosy Kristy maty nisolo toerana antsika teo amin’ny hazofijaliana.

Ny zavatra iray loha izay marina fantatr’i Dr Sauerbruch momba ny fitsarana farany dia ny hoe Andriamanitra ho hany Mpitsara marina. Izay tsy niaiky ny fahadisoany dia tsy hanana fiarovan-tena halahatra. Izao no ho didim-pitsarana : meloka ! Ary ny sazy : fijalijaliana mandrakizay (Apokalypsy 20:12-15).

Ndao handray ny fanafahana lavorary atolotr’Andriamanitra antsika ao amin’i Jesosy (Jaona 3:16).