Asabotsy 21 Septambra 2024

(Hoy Jesosy :) Raha halan’izao tontolo izao ianareo, dia aoka ho fantatrareo fa Izaho efa hàlany talohanareo. Jaona 15:18

Raha avy ny Zanak’olona (Jesosy), moa hahita finoana etỳ ambonin’ny tany va Izy ? Lioka 18:8

 

Fahaverezan’ny finoana kristiana

Tamin’ny taonjato faha-17, ny Fanjakana frantsay dia niezaka hanafoana ireo protestanta, izay tsy nanaiky hanaraka ny antokom-pivavahan’ny mpanjaka. Nenjehina noho ny finoany izy ireo, tamin’ny endrika maro samihafa. Nisy mihitsy aza ankizy nalaina an-keriny tamin’ny ray aman-dreniny mba tsy handraisan’izy ireo ny fampianarana natao tao an-tokantrano. Io vanimpotoana tena maloka io ho an’ireo kristiana ireo dia fotoana nanehoany finoana velona sy hentitra, niorina tamin’ny fanapahan-kevitra hoe : „Andriamanitra no tokony hekena mihoatra noho ny olona” (Asan’ny Apostoly 5:30).

Taorianan’ny Revolisiona frantsay dia nitsahatra ny fanenjehana, ary nisolo toerana azy ny fahalalahan’ny fierireretana. Hita mihavery tsikelikely ny finoana kristiana eo amin’ny fiarahamonina. Ankehitriny any amin’ny firenena eoropeana dia tiana ny mitaky ho an’ny tena ny „lova an’ny jiosy sady an’ny kristiana”. Nefa ho an’ny maro amin’ny mpiara-belona amintsika dia hatreo ihany ny fampitahana amin’ny finoana kristiana, ary ho an’ny sasany dia mijanona amina fombafomba vitsivitsy „tsy maintsy atao” rehefa fotoan-dehibe eo amin’ny fiainana. Ankizy firifiry moa no mihalehibe tsy nahare akory na inona na inona momba an’i Jesosy na momba ny Filazantsara ?

Nefa ny finoana kristiana dia niorim-paka sy nitombo tany amina faritra maro hafa eto amin’izao tontolo izao. Tany Chine, ohatra, ny fanenjehana naharitra am-polontaonany maro dia tsy nahafoana ny finoana kristiana nirotsahana sy niainana, finoana mitohy miroborobo na eo aza ny fanindrian’ny mpitondra fanjakana.

Ry kristiana, aza hadinointsika na oviana na oviana fa napetraka eto amin’ity tontolo ity isika mba hijoro ho vavolombelon’ny fahamarinan’ny Filazantsara, mba hitory ny maha Andriamanitra an’Andriamanitra sy izay nataony, ary hanambara fa Izy dia „tia ny olona rehetra hovonjena ka ho tonga amin’ny fahalalana ny marina” (1 Timoty 2:4).