Alahady 22 Septambra 2024
(Jesosy nivavaka ho an’ireo nanombo Azy teo amin’ny hazofijaliana :) Raiko ô, mamelà ny helony, fa tsy fantany izay ataony. Lioka 23:34
Tiava ny fahavalonareo, ary mivavaha ho an’izay manenjika anareo, mba ho tonga zanaky ny Rainareo Izay any an-danitra ianareo. Matio 5:44-45
Nasain’ity mpampianatra kristiana nitanisa tenin’i Jesosy iray ireo mpianany. Hoy ireo namaly : „Tiava ny fahavalonareo”. Ireo tanora ireo, izay tsy mpino ny ankamaroany, dia mahita hoe mampitolagaga io antson’i Jesosy ho tia ny fahavalony io. Toa tsy ho vita ny hanatanteraka izany. Ahoana no hahafahan’Andriamanitra mitaky fihetsika mifanohitra tanteraka amin’ny toetrantsika toy izany ?
Ry namana kristiana, tsy amin’ny herin’ny tenantsika manokana no hahafahantsika mitia ireo izay manao ratsy antsika, fa amin’ny herin’ny Fanahin’Andriamanitra. Ny hoe mitia ny fahavalontsika, na manao ny tsy rariny amintsika aza izy ireo, dia ny manaisotra tsy ho ao am-pontsika izay rehetra mety ho lolompo na faniriana hamaly faty, ary mamela an’Andriamanitra hameno azy amin’ny fitiavany. Taomin’Andriamanitra Raintsika isika hanahaka Azy, Izy Izay fitiavana, „Izy mampiposaka ny masoandrony amin’ny ratsy fanahy sy ny tsara fanahy, ary mampilatsaka ny ranonorana amin’ny marina sy ny tsy marina” (Matio 5:45). Na iza na iza, hoy Jesosy, dia afaka mitia ny namany (and 46). Ny zanak’Andriamanitra dia antsoina ho amina halehibe ambony kokoa : miaina ny fitiavan’Andriamanitra eo anatrehan’ny olona rehetra tsy ankanavaka.
Hoy koa Jesosy amintsika : „Mivavaha ho an’izay manenjika anareo”. Fa indrindra indrindra, Izy dia nampiseho tamintsika ny ohatra faratampony, rehefa teo amin’ny hazofijaliana, voahodidina vahoaka feno fankahalana, ka nivavaka tamin’ny Rainy hoe : „Mamelà ny helony, fa tsy fantany izay ataony”.
„Noho ny vavaka, dia manatona ny fahavalontsika isika, mitsangana eo anilany, ary mitalaho ho azy amin’Andriamanitra” (Diedrich Bonhoeffer).