Alatsinainy 23 Septambra 2024
Raha mbola niteny Jesosy, dia nisy tonga avy tany amin’ilay mpanapaka ny synagoga (Jairo) ka nanao hoe : Efa maty ny zanakao vavy ; nahoana ianao no mbola manahirana ny Mpampianatra ihany ? Fa tsy nahoan’i Jesosy izany teny nataony izany, fa hoy Izy tamin’ilay mpanapaka ny synagoga : Aza matahotra, minoa fotsiny ihany. Marka 5:35-36
Jairo, mpanapaka ny synagoga, dia niangavy an’i Jesosy ho any amin’ny zanany vavy roambinifolo taona, efa ambavahoana. Nandeha nankany Jesosy, nefa teny an-dalana dia nisy vehivavy iray narary efa ho roambinifolo taona nangata-panampiana taminy, mba ho sitrana. Nijanona Jesosy ary nandany fotoana nikarakara azy.
Tebiteby toa inona moa ny an’ilay raim-pianakaviana : Jesosy dia nanaiky hohatarain’ity vehivavy ity, nefa ny zanany efa ho faty ! Nampitaina tsy ela tamin’i Jairo tokoa mantsy ny vaovao ratsy : „Efa maty ny zanakao vavy ; nahoana ianao no mbola manahirana ny Mpampianatra ihany ?”
Rehefa nahare izany Jesosy dia nanome toky azy hoe : „Aza matahotra, minoa fotsiny ihany”. Dia nanohy ny lalany hatrany an-trano Izy. Hoy Jesosy tamin’ireo izay nanao fisaonana tamina tabataba be tao : „Tsy maty razazavavy, fa matory”. Dia nihomehy Azy ny olona. Nefa nasainy nivoaka izy rehetra, ary nalainy hiaraka aminy ny ray aman-drenin-drazazavavy sy mpianatra telo lahy. Niditra tao an’efitrano nisy ilay zazavavy Izy, nandray ny tanany, ary nandidy azy hitsangana. Teo no ho eo ihany dia nitsangana ilay zazavavy ary afa-nandeha. Niala tao Jesosy, nefa talohan’izany dia nasainy nomen’ireo ray aman-dreny hanina ny zanany.
— Tsy nanao toy ny tao amin’ilay tantara teo aloha Jesosy, fa tamin’ity Izy dia nankeo amin’izay nisy ilay ankizy.
— Ny toetra ara-panahin’ny zanatsika dia mety hiharatsy, ka toa mahakivy tanteraka. Raha maneho fisalasalana momba ny mety hiovan’izany ireo manodidina antsika, dia „aza matahotra, minoa fotsiny ihany”.
— Ilay ankizy natsangana ho velona indray dia mampahatsiahy olona vao niova fo ho an’i Kristy, ka ny aim-baovao ao anatiny dia mila sakafo. Taomin’ny Tompo ny ray aman-drenin’io ankizy io hamahana azy.
— Miteny amin’ny ray man-dreny koa ny Tompo, ary manohana ny finoan’izy ireny.