Talata 24 Septambra 2024

Izy (Andriamanitra) nandefitra tamin’ny nataony tany an’efitra. Asan’ny Apostoly 13:18

Apetraho aminy ny fanahianareo rehetra ; fa Izy no miahy anareo. 1 Petera 5:7

 

Miasa araka izay tena ilaintsika Andriamanitra

„Moa ny mpiasa tany va miasa mba hamafy… mandrakariva ?… Rehefa voaravony tsara ny tany, moa tsy afafiny amin’izay va ny voan’ny nigela, ary tsy apariakany va ny komina, ary tsy alahany mitandahatra tsara va ny vary tritika sy ny vary hordea amin’ny tany voafaritra ho azy ?… Fa tsy ny kodia vy no ivelezana ny nigela, ary tsy ny kodian’ny sarety no akodiadia amin’ny komina ; fa ny nigela dia velezina amin’ny fàntaka, ary ny komina amin’ny tehina. Moa mongomongoiny va ny vary hatao mofo ? Tsia, fa tsy veleziny na hampandehanany ny kodian’ny saretiny sy ny soavaliny lalandava izy” (Isaia 28:24-28).

Mety hanjavozavo io andalan-tsoratra ao amin’ny Baiboly io, amin’izay tsy zatra miasa eny an-tsaha. Fantatry ny mpamboly tsara ny taniny sy izay ilain’ny voa afafy tsirairay. Samy hafa ny ataony, arakaraka ny voly : tokony homanina tsara mialoha ny tany, tsy tokony hasaina sy hosena „mandrakariva”. Ny karazam-boly tsirairay (nigela, komina…) dia tsy maintsy afafy amina fomba iray manokana. Rehefa tonga ny fotoam-pijinjana, ny iray dia velezina amina fàntaka, ary ny iray kosa amina tehina. Rehefa hanao mofo, dia tokony hosena mandritra ny fotoana ilaina fotsiny ny vary, „fa tsy veleziny… lalandava” ; avy eo dia totoina ny vary, atao koba amin’ny alalan’ny fitaovana tandrify.

Izany sarinteny izany dia milaza amintsika ny fomba iasan’Andriamanitra eo amin’ny fiainan’ny zanany : am-pahendrena, amin’ny fomba voakendry mazava sy voatandrina tsara. Mahafantatra antsika tanteraka Andriamanitra, mandanjalanja ny fitsapana sy ny zava-mitranga, miditra an-tsehatra rehefa ilaina izany, ary amin’ny fomba tandrify, na dia toa mavesatra amintsika aza izany amin’io fotoana io, na koa tsy takatry ny saintsika. Lanjalanjainy izay tokony ho antsika tsirairay.

Aoka isika hatoky Azy : fantany tsara izay ilaintsika mba hamokarantsika voa ho Azy.