Alarobia 25 Septambra 2024

Hoy Jesosy taminy :… Miakatra ho any amin’ny Raiko sy ny Rainareo Aho, ary ho any amin’Andriamanitro sy Andriamanitrareo. Jaona 20:17

Fa tsy nandray ny fanahim-pahandevozana ho amin’ny tahotra indray ianareo, fa nandray ny fanahin’ny zanaka natsangana, izay iantsoantsika hoe : Aba, Ray ô. Romana 8:15

 

Ray iza ?

Notezaina ray hentitra tsy niraharaha azy i Julien, ary ireo sazy nomeny no tena tadidiny.

Rehefa nanjary kristiana i Julien, dia zanak’Andriamanitra nanomboka hatreo. Saingy noho ny zavatra niaretany nandritra ny fahazazany, dia sarotra aminy ny manala tao an-tsainy ny hoe ny ray dia eo mba hanasazy fotsiny. Ary manakana azy izany tsy hankafy ny fifandraisany amin’Andriamanitra amin’ny maha zanany azy. Nampifandraisiny mandrakariva tamin’ny tahotra Andriamanitra. Na inona na inona zava-tsarotra mitranga, fahasimban-javatra, aretina, sns., dia noraisiny ho sazy avy amin’Andriamanitra. Nanazava taminy ny namana kristiana iray hoe :

„Jesosy dia mampiray antsika amin’ny tenany, ao amin’ny fifandraisany amin’ny Rainy, Izay nanjary Raintsika. Ny fifandraisan’i Jesosy amin’ny Rainy dia asehon’ny fatokiana sy fitiavana ary fankatoavana vokatr’izany. Ataony miara-misitraka io fifandraisana mamy io aminy isika. Manana zo isika hiteny hoe : „Aba, Ray ô”, izay teny manambara ny fatokiana sy ny fifandraisana akaiky ananana ankizy kely sy ny rainy, toy ny hoe„dada”amin’ny fitenintsika ankehitriny.

Ho an’olona vao niova fo no anoratan’ny apostoly Jaona hoe : „(Ianareo) ankizy madinika… mahalala ny Ray ianareo” (1 Jaona 2:13). Ny fifandraisana ankizy kely amin’ny rainy dia tokony tsy hisy fihatsarambelatsihy, tokony ho feno halemem-panahy, fa tsy hahery setra ara-batana na am-pitenenana !

Hazavain’ny Baiboly antsika fa ny Ray dia „manafay” antsika mba hahasoa antsika (Hebreo 12:5-11), izany hoe manabe antsika. Ny „famaizana” (na „fampianarana mba hanitsiana”) dia zavatra hafa tanteraka tsy misy ifandraisana amina sazy tsy misy farany. Manefy antsika Andriamanitra mba hiainantsika araka izay mahafaly Azy. Ndao hiresaka aminy am-panajana ; nefa ny fanajana dia tsy manafoana ny fifandraisana akaiky feno hamamiana amina ray.”