Alakamisy 26 Septambra 2024
Sao narian’Andriamanitra anie ny olony ? Sanatria izany !… Andriamanitra tsy nanary ny olony, izay efa fantany rahateo. Romana 11:1-2
Fa ny fanomezam-pahasoavana sy ny fiantsoan’Andriamanitra dia tsy misy hanenenany. Romana 11:29
Ny mpanjakan’i Prusse Frédéric II, nitovy vanimpotoana nahavelomana tamin’i Voltaire, dia tsy nino tahaka io filôzôfa io koa.
Indray andro hono izy dia nanontany ny iray tamin’ireo jeneraliny, izay fantany fa mpino, hoe : „Omeo porofo momba ny fisian’Andriamanitra aho”.
Teo no ho eo ihany ny valinteny : „Ny vahoaka jiosy, ry mpanjaka !”
Marina fa tsy manam-paharoa ny anjara natokana ho an’ny vahoaka jiosy. Voafidin’Andriamanitra efa ho 3500 taona lasa izay ny Israely, izay vitsy noho ireo mponina manodidina, tany am-piandohany. Nefa dia mbola eo hatrany ny vahoaka jiosy, ary misy ara-pôlitika aza, rehefa niforona ny fanjakana Israely ny 14 mey 1948. Nefa nilofosana toy inona moa ny hanafoanana io vahoaka kely io ! Talohan’ny fandripahana tamin’ny taonjato faha-20 aza, dia namonoana Jiosy an-tapitrisany ny fankahalana azy ireo. Nefa Andriamanitra dia efa nianiana hiahy azy ireo ; notanany ary mbola hotanany ny fampanantenany rehetra tamin’io vahoaka io. Manohina ny firesahan’ny Baiboly momba azy hoe : „firenena mahatahotra hatreto ka hatrany” (Isaia 18:7). Teny faminaniana maro momba ny Israely no efa tanteraka, ary ny sasany mbola ho tanteraka : any aoriana any Kristy dia hanjaka eto amin’ny tany manontolo, ary indrindra eo amin’ny vahoakany. Na izany aza, dia asa lehibe no tsy maintsy hatao ao amin’ny fon’ny Jiosy, mba haneken’io firenena io amin’izay Ilay Mesia nampanantenain’Andriamanitra azy, ary efa nirahiny tamin’ny fotoanandrony.
Eny, marina ny Baiboly, araka ny tantaran’io vahoaka io manamafy izany amin’ny lafiny rehetra. Mendrika hitokisantsika Andriamanitra Izy tenany mihitsy, Izay mpanoratra ny Baiboly.