Zoma 27 Septambra 2024

Marina sy mahitsy izany lehilahy izany (Joba) sady natahotra an’Andriamanitra ka nifady ny ratsy. Joba 1:1

(Hoy Joba tamin’Andriamanitra :) Fantatro fa hainao avokoa ny zavatra rehetra, ary tsy azo ferana ny fisainanao… Koa dia nilaza izay tsy fantatro aho, dia zava-mahagaga loatra amiko, izay tsy takatry ny saiko. Joba 42:2-3

 

Natao ho ahy ny lesona momba an’i Joba

Joba dia olona resahina ao amin’ny Baiboly, ary misy boky iray mitondra ny anarany. Niaina fitsapana mahamay izy, namoy saiky ny ankohonany manontolo, ny harenany rehetra, ary farany ny fahasalamany. Azo inoana fa vitsy ny olona nijaly toa azy. Nanontany tena mihitsy aza izy, hoe nahoana no teraka. Ny Baiboly anefa dia milaza amintsika fa lehilahy mahitsy izy… Ahoana no hahatakarana hoe tsy voaaro tsy hiharan’ny loza izy ?

Nikomy tamin’ny nahazo azy i Joba, ary nanontany an’Andriamanitra hoe : Izaho izay olona mivavaka, nanompo Anao mandrakariva ary nahafoy tena ho an’ny namako, nahoana aho no tsy maintsy mijaly mafy toy izao ? „Enga anie ka hamaly ahy ny Tsitoha !” (Joba 31:35).

Namaly azy Andriamanitra… Nefa tsy nanao izany avy hatrany Izy, satria tsy misy na iza na iza afaka mampamoaka Azy, fa nanontany an’i Joba kosa hoe : „Taiza ary ianao, fony Aho nanorina ny tany ?” (Joba 38:4)… Tsy novalian’Andriamanitra mivantana ireo fanontanian’i Joba momba ny mampijaly azy. Nasehony fa tsy misy izay miafina aminy, na ny lehibe indrindra tsy manam-petra, na ny kely indrindra tsy manam-petra. Dia takatr’i Joba ny lesona. Hoy izy tamin’Andriamanitra : „Fantatro fa hainao avokoa ny zavatra rehetra, ary tsy azo ferana ny fisainanao”.

Tsy haintsika arahina ny fizotran’ny trangan-javatra eo amin’ny fiainantsika, mbamin’ny anton’izany sy ny vokany. Nefa izay rehetra mitranga, ary tsy takatry ny saintsika indraindray, dia ampidirin’Andriamanitra ao anatina drafitra misahana ny zavatra rehetra sy voafehiny tanteraka. Izany indrindra no afaka manome antsika ny herim-po sy ny fanantenana, rehefa vesaran’ny toejavatra mitranga eo amin’ny fiainana isika. Tsy handao antsika na oviana na oviana Ilay Andriamanitra tia antsika, ka nanao sorona ny Zanany mba hamonjy antsika !