Asabotsy 28 Septambra 2024
Dia hoy ireo taminy : Iza moa Ianao ? Hoy Jesosy taminy : Ilay nolazaiko taminareo hatramin’ny voalohany. Jaona 8:25
Ary noho izany ny lohan’ny mpisorona tamin’ny Jiosy dia nanao tamin’i Pilato hoe : Aza soratana hoe : Mpanjakan’ny Jiosy ; fa izao : Izy no nilaza hoe : Mpanjakan’ny Jiosy Aho. Pilato namaly hoe : Izay voasoratro dia voasoratro. Jaona 19:21-22
Ny mpitarika ara-pivavahana tamin’ny andron’i Jesosy dia nandà tsy hanaiky Azy ho Ilay Mesia nampanantenaina. Niantsoantso teo anatrehan’i Pilato governora romana izy ireo, nitaky ny hamonoana Azy ho faty ary niampanga Azy ho „manao ny tenany ho mpanjaka” (Jaona 19:12). Na dia resy lahatra aza i Pilato fa tsy manan-tsiny Jesosy, dia nilefitra ihany, ka nohomboana teo amin’ny hazofijaliana Jesosy.
Pilato dia nametraka soratra teo ambonin’ny hazofijaliana hoe : „JESOSY AVY ANY NAZARETA, MPANJAKAN’NY JIOSY”. Tezitra mafy ireo mpitarika ara-pivavahana, ka nangataka fanitsiana taminy (andinin-tSoratra Masina etsy ambony).
Nasehon’izy ireo tamin’izany ny tsy finoany. Fotoana fohy taloha kelin’io Jesosy dia nanambara mazava fa Izy tokoa no Ilay efa nolazainy hatramin’ny voalohany (Jaona 8:25). Nefa dia ninia mihitsy izy ireo nandà tsy hino izay lazain’Ilay „Fahamarinana” (Jaona 14:6).
Tsy mampilamina ny fieritreretan’izy ireo io soratra io, satria manambara indrindra ny marina. Nefa Pilato nandà tsy hanova na inona na inona. Tian’Andriamanitra hambara miharihary ny maha Izy Azy an’Ilay nohomboana teo amin’ny hazofijaliana. Nosoratana tamin’ny teny hebreo, grika ary latina izo soratra io, talaky maso sy azon’ny olona rehetra.
Ny tsy finoan’ny mpitari-pivavahana ny tenin’i Jesosy (Jaona 5:47), dia akon’ny zava-nitranga tao an-tsaha Edena, izay nahasahian’ny olombelona nisalasala ny amin’ny tenin’Andriamanitra (Genesisy 3:1-7). Toy izany koa, Satana, ilay mpandainga sady mpamono olona, no tao ambadik’io fandavana ny Mpamonjy io (Jaona 8:44).
Ankehitriny, toy ny taloha, dia ny fampisalasalana ny amin’izay lazain’Andriamanitra no foto-kevitra manjaka eto amin’izao tontolo izao.
Fa Jesosy kosa dia nanolotra ny ainy teo amin’ny hazofijaliana, mba hamonjeny ireo izay mino ny fanambaran’Andriamanitra hoe : „Fiainana mandrakizay no fanomezam-pahasoavana avy amin’Andriamanitra, ao amin’i Kristy Jesosy Tompontsika” (Romana 6:23).