Alahady 29 Septambra 2024

Fa efa nataonao ambany kely noho Andriamanitra izy, ary efa nosatrohanao voninahitra sy fiandrianana. Efa nampanjakainao amin’ny asan’ny tànanao izy ; Ny zavatra rehetra dia efa nataonao eo ambanin’ny tongony… Salamo 8:5-6

 

Ny olombelona mpanjakazaka

Ny olombelona dia nomen’Andriamanitra fahafahana mitantana ny tany : „Manjakà amin’ny hazandrano ao amin’ny ranomasina sy ny voromanidina ary ny biby rehetra izay mihetsiketsika ambonin’ny tany” (Genesisy 1:28). Saingy tsy tanterany ny asa nampanaovina azy, noho izy tsy nankatò an’Andriamanitra, ka dia „simba… sady heni-doza” (feno fahalovana sy herisetra) ny tany. Noho izany Andriamanitra dia voatery nandevona ny tontolo teo aloha tamin’ny safodrano. Tatỳ aoriana dia mpanjaka no nametrahany ny fitantanana, ary maro tamin’izy ireny no nanararaotra fahefana. Ny mpitondra sasany aza, tahaka an’i Nebokadnezara mpiavonavona, dia nitaky mihitsy hitsaohana toa andriamanitra, naka ny toerana izay an’Andriamanitra irery ihany.

Olona maro no nitady hanjakazaka teto amin’izao tontolo izao. Ankehitriny koa ireo mpitondra firenen-dehibe dia mbola miezaka hatrany hanitatra ny fahefany sy ny faritra tadiaviny hanapahana. Tsy ho ela dia hisy lehilahy iray hitsangana, lazain’ny Baiboly hoe „ilay lehilahin’ota”, na antikristy, izay haneho ny faratampon’ny fiavonavonana sy ny fikomiana amin’Andriamanitra, „ka dia mipetraka eo amin’ny tempolin’Andriamanitra izy, ka manao ny tenany ho Andriamanitra” (2 Tesaloniana 2:4). Nefa izy dia holevonin’ny fofonain’ny vavan’ny Tompo Jesosy, rehefa hiverina avy any an-danitra Izy, mba hanapaka eto amin’izao tontolo izao. Amin’izay ny tany dia hotantanan’Ilay Lehilahy Izay hany manana zo hanjaka amin’izao tontolo rehetra izao, „dia Kristy Jesosy, Izay olona” (1 Timoty 2:5), nohomboana teo amin’ny hazofijaliana fahiny, nolavin’ny olona, nefa natsangan’Andriamanitra ho velona indray ary nakarina any an-danitra. Ho fanjakana mahatalanjona voamarika fahamarinana sy fiadanana izany, aorianan’ny hanatanterahana fitsarana lehibe hanamelohana ireo izay tsy nino Azy. Ankehitriny Izy dia mbola Ilay te hamonjy ny olona tsy hiharan’ny fitsarana sy te hampiditra azy ireo hiaraka aminy any an-danitra.