Alatsinainy 30 Septambra 2024

Dia namaly Jesosy ka nanao taminy hoe : Ravehivavy, lehibe ny finoanao ; tongava aminao araka izay irinao. Dia sitrana ny zanany vavy tamin’izay ora izay. Matio 15:28

 

Jesosy sy ny ray aman-dreny (5) — Matio 15:21-28 ; Marka 7:24-30

Tany amin’ny faritra avaratry ny Palestina i Jesosy, ary nisy vehivavy iray avy any, nitalaho taminy ho an’ny zanany vavy azona demonia.

Satria Kananita io vehivavy io, dia tsy manana zo mihitsy amin’ireo tombontsoa natokana ho an’ny Israely. Tsy niraharaha azy aloha Jesosy. Nefa nisisika ihany izy, ary sorena ireo mpianatra ka nanoso-kevitra handroahana azy. Nanazava Jesosy hoe tsy nirahina afa-tsy ho amin’ny ondry very amin’ny taranak’Israely. Nefa tsy nisy na inona na inona nahatapa-kevitra ilay vehivavy hiala teo. Nampahorin’ny demonia loatra ny zanany vavy, koa Jesosy no hany fanantenany. Nanatona tam-panajana izy, niteny tsotra hoe : „Tompoko ô, vonjeo aho.” Teny mafy no namalin’i Jesosy azy, hoe : „Aoka ho voky aloha ny zaza ; fa tsy mety raha maka ny mofon-jaza ka manipy azy ho an’ny amboakely”, ilazany ankolaka fa ny zaza dia ny zanak’Israely, ary ny amboakely dia ireo firenena manodidina. Atỳ aoriana anefa Izy dia hiditra an-tsehatra ho an’ireo tsy Jiosy koa.

Nanam-paharetana ilay vehivavy sady natoky an’i Jesosy, ka nahazo valinteny mahatalanjona. Nanaiky am-panetrentena io toerana io izy, ary namaly hoe : „na dia ny amboakely aza mba mihinana izay sombintsombiny latsaka avy amin’ny latabatry ny tompony ihany.” Dia indro ny fandresena ! Jesosy namaly azy hoe „Ravehivavy, lehibe ny finoanao”. Dia sitrana ilay zazavavy noho ny finoana nisisika tao amin’ny reniny.

Manaitra ny fihetsik’i Jesosy, tsy azo avy hatrany. Fantany ny finoan’ity vehivavy ity, ary te hampamiratra izany Izy. Nitarika azy tsy hitoky afa-tsy amin’ny fahasoavana Izy, tamin’ny fiekena fa tsy manana zo na dia kely akory aza. Eo amin’izany no ahafahan’ny finoana mandray ny zavatra rehetra. Noho ny fahasoavan’i Jesosy irery ihany no nahazoan’ity vehivavy ity ny valin’ny vavaka nataony. Ankehitriny, ny olona rehetra dia manana halalana toy izany manatona an’Andriamanitra, Izay tia azy, amin’ny alalan’i Jesosy Kristy.