Talata 1 Oktobra 2024
Fa tsy hanary mandrakizay ny Tompo ; eny, fa na dia mampahory aza Izy, dia mbola hiantra ihany, araka ny haben’ny famindrampony. Fa tsy sitrany ny mampahory na mampalahelo ny zanak’olombelona. Fitomaniana 3:31-33
Ny 14 oktobra 1987, tany Midland, any Texas (Etazonia), i Jessica McLure kely, zaza 18 volana, dia latsaka tany anatina lava-drano 20 santimetatra ny savaivony ary efa ho 7 metatra ny halaliny. Voatery nanao lavaka mira zotra tamin’ilay lava-drano ny mpamonjy voina, ary nanao lozoka tao amin’ny vatolampy mba hahatratrarana azy. Rehefa afaka adiny 58 dia nahatratra an’i Jessica ireo mpamonjy voina, saingy nihitsoka tao amin’ilay lava-drano ny vatany. Nanapa-kevitra ny mpitsabo, nanao teny mampivarahontsana hoe : „Sintony mafy ! tsy manam-potoana intsony isika. Angamba isika tsy maintsy hanapaka ny tongony, mba hanavotana azy”. Nanao ezaka farany ireo mpamonjy voina, ary nahafaka an’i Jessica, nefa tsy nampisy ratra hafa azy.
Maneho an-tsary ny toerana misy antsika ny nanjo io zaza io. Raha toa ny olona mbola tsy nandray ny tanan’i Jesosy Kristy manafaka, dia tafahitsoka ao anatina lavaka, ary tsy afaka manavotra ny tenany. Ny fahatsapana fahafoanana ao amin’ny fiainan’ny tena, fahadisoana ezahina hadinoina nefa tsy mety hadino, fiankinan-doha mikiky, izany rehetra izany dia mety hampihitsoka avokoa. Mba hanafahany antsika, Andriamanitra angamba dia mety ho voatery „hisintona mafy”, amina aretina, amina toejavatra sarotra… Tia antsika Izy, ary maniry fatratra hamonjy antsika, hany ka mamela ny fahoriana hahazo antsika, indraindray, mba hahatsapantsika fa eo Azy.
Ary ho antsika mpino kosa, Andriamanitra dia mety „hisintona mafy” koa, mba hanafaka antsika amin’izay
rehetra mampihitsoka antsika eo amin’ny fiainana kristiana iainantsika, sy mba hampanatona antsika akaiky Azy kokoa.
Aoka hotsarovantsika fa „tsy sitrany ny mampahory… ny zanak’olombelona”. Lanjalanjainy tsara ny fitsapana, mba hahasoa antsika sy mba ho voninahiny.