Alarobia 2 Oktobra 2024

Fa velona sy mahery ny tenin’Andriamanitra, ka maranitra noho ny sabatra roa lela, ka manindrona hatramin’ny fampisarahana ny aina sy ny fanahy… ka mahay mamantatra ny eritreritra sy ny fisainan’ny fo. Hebreo 4:12

 

Ahoana ny fomba itenenan’Andriamanitra amintsika amin’ny alalan’ny Teniny

Folo andro talohan’ny hivoahany ny fonja dia tsapan’i Fernand tsara ny loza miandry azy any ivelany. Fantany fa hila ny fiarovan’Andriamanitra izy rehefa any. Narangarangany ny Baiboliny, ary nambarany taminay fa izy io no ho „ampinga eo alohany sy ampinga ao aorianany”.

Ny sabotsy nanaraka io, tamin’ny fihaonany farany niara-namaky Baiboly tamin’ireo voafonja hafa, dia nangataka fanazavana izy momba ny toko voalohany ao amin’ny bokin’i Nahoma. Tojo ny andininy faha 7 izahay : „Tsara Jehovah, fiarovana mafy amin’ny andro fahoriana, ka mahalala izay mialoka aminy”. Izany dia mampahatsiaro antsika ny Salamo 136:1 hoe : „Tsara Izy (Jehovah) ; fa mandrakizay ny famindrampony”. Sambatra i Fernand. Nanolo-kevitra ny hamakiana ny Salamo 139 i Marc, voafonja iray hafa. Dia niantefa taminay ny andininy faha 5 hoe : „Manodidina ahy eo ivohoko sy eo anatrehako Ianao, ary apetrakao amiko ny tànanao”. Tena mifanojo indrindra amin’ny eritreritr’i Fernand tamin’ny asabotsy lasa ! Nandray penina izy ary nanipika io fehezanteny io.

Dia novakinay ny andininy faha 23 sy 24 : „Diniho aho, Andriamanitra ô, ary fantaro ny foko… ny eritreritro… Dia tariho amin’ny làlana mandrakizay aho”. Rehefa mahita ny toetran’ny fo sy eritreritsika isika, dia mahatsapa fa mila mpiaro. Fifaliana toy inona moa ny mamaky hoe Kristy dia mivavaka ho an’ny olony, mba tsy ho tafalatsaka ao amin’ny ratsy izy ireo (Romana 8:34). Dia notsipihin’i Fernand koa io andinin-tSoratra Masina io.

Niara-namaky ireo andinin-tSoratra Masina mifampitohy ireo izahay ho fampaherezana anay, ka nahita fa ny Tenin’Andriamanitra dia „velona”. Mihatra tanteraka amin’ny toejavatra iainantsika izany, toy izay nilain’i Fernand !