Alakamisy 3 Oktobra 2024

Matin’ny fahadisoanareo sy ny fahotanareo (ianareo), izay nalehanareo fahiny, araka ny fomban’izao tontolo izao, araka ny mpanapaka ny fanjakana eny amin’ny rivotra… Fa Andriamanitra… dia nahavelona antsika niaraka tamin’i Kristy (fahasoavana no namonjena anareo). Efesiana 2:1-5

 

Etona manadonto

Fantatrao ve ny atao hoe Meopa ? Io dia etona mifangaro ampiasaina amin’ny fitsaboana, mba hahatonga fahadontoana maivana. Ny ôksizena, izay ilaina amin’ny fisefoana, dia afangaro amina ôksidan’azôta misy ôksizena kely dia kely ; io etona io dia mahatonga ho tony nefa tsy matory. Rehefa mifoka ny fofon’ny Meopa amina tapin’orona ny marary, dia manjary tsy mahatsapa fanaintainana, ary mahatsapa hafinaretana amin’ny ankapobeny sy fahitana manjavozavo, sady mahatsiaro izay mitranga manodidina azy.

Ny andinin-tSoratra Masina androany dia milaza „ny mpanapaka ny fanjakana eny amin’ny rivotra”, izany hoe ny devoly, i Satana, izay mifehy ny manodidina iainana ara-toe-panahy aman-tsain’izao tontolo izao. Toy ny Meopa, ny manodidina iainantsika ara-panahy, dia fangaro voalanjalanja tsara eo amin’ireo hery mahatarika ilain’ny fiainana sy zavatra hafa manana endrika mahafinaritra, nefa mety hanaisotra amintsika ny fijery mahitsy ny zavatra, mba mitondra fifaliana ankosotra sy mamitaka.

Tsapa manokana io fangaro io eo amin’ny internet. Manaraka fandaharana kristiana iray mahaliana aho, nefa adiny roa atỳ aoriana dia mbola eo amin’ny solosaina foana, variana ao amina fialam-boly tsy misy fiafarany. Manintona izany, ka indro aho fa latsaka ao anaty fahadontoana mahasambatsambatra. Inona sisa, amin’ny farany ? Nanjavona ny heriko, ny fotoanako, ny fifandraisako amin’Andriamanitra.

Inona àry no vahaolana ? Mifoka rivotra madio !

Ny vavaka sy ny famakiana Baiboly no mikolokolo ny fifandraisantsika amin’Andriamanitra ; izany no hanome antsika ny hery ara-panahy ilaina mba handosirana ireny fandaniam-potoana tsy mahasoa ireny.