Zoma 4 Oktobra 2024
Ny hazo tsara rehetra dia mamoa voa tsara ; fa ny hazo ratsy rehetra dia mamoa voa ratsy. Ny hazo tsara tsy mety mamoa voa ratsy, ary ny hazo ratsy tsy mety mamoa voa tsara. Matio 7:17-18
Ary homeko fo vaovao ianareo. Ezekiela 36:26
Hentitra ny Baiboly manambara fa ny olombelona, araka ny toetra maha olona azy, dia ratsy : „Tsy misy marina, na dia iray akory aza” (Romana 3:10). Asehony antsika izay nataon’ny olona. Na ireo izay heverina ho tsara indrindra aza, Davida mpanjaka ohatra, dia nanao zavatra ratsy, tena ratsy mihitsy. Ahoana moa no handavana ny fahamarinan’ny Soratra Masina momba izany, nefa isanandro ny haino aman-jery dia mitantara zavatra mampihoron-koditra mitranga manerana ity planeta ity ? Ary rehefa manao ratsy ny olona, ahoana no handavana fa ao anatiny ny ratsy ? „Fa avy amin’ny fo no ivoahan’ny sain-dratsy, dia ny vonoan’olona, ny fakam-badin’olona, ny fijangajangana, ny halatra, ny ampanga lainga, ny fitenenan-dratsy” (Matio 15:19).
Nanomboka tamin’ny nahafaty an’i Abela, izay novonoin’ny rahalahiny (Genesisy 4:8), ka hatramin’ny nahafatesan’i Jesosy, Ilay Zanak’Andriamanitra, dia pejy firifiry ao amin’ny Baiboly moa no manambara ny nataon’ny olona, ireo zava-dratsy mbamin’ireo heloka be vava vitany ! Maro ny mihevitra fa tsy tokony ho ao anatin’ny bokin’Andriamanitra ireny tantara ireny, boky iriny tsy hahitana afa-tsy ohatra tsara. Nefa nosoratan’Andriamanitra ao ireny mba hampahatsiahy ny mpamaky ny zavatra mety vitany, na dia mihevi-tena ho „olo-mahitsy” aza izy.
Ny mitsara ny hazo amin’ny voany dia foto-kevitra marina mandrakariva. Rehefa mahita ny voa hain’ny olombelona vokarina, dia tsy afaka handà io fitsarana azy io hoe : ratsy ilay hazo.
Nefa hazavain’ny Baiboly koa ny fomba hitan’Andriamanitra hanovana ny toetran’ny hazo. Amin’ny alalan’ny aim-baovao omeny ho an’izay mino ny Tompo Jesosy, Andriamanitra dia manova tanteraka ny fon’ny olona ary manao azy ho afaka mamoa voa tsara.