Asabotsy 5 Oktobra 2024
Misy làlana ataon’ny olona ho mahitsy, kanjo làlana mivarina any amin’ny fahafatesana no iafarany. Ohabolana 14:12
Fa Kristy aza efa nijaly hamonjy anareo ka namela fianarana ho anareo, mba hanarahanareo ny diany. 1 Petera 2:21
„Mibaiko tanteraka ny rafi-piainantsika ny fandriky ny fitiavan-kahazo tombony, ny fahazoam-bokatra be, ny fiadanana ara-batana. Manimba faran’izay haingana ny fifandanjana voajanahary rehetra isika, amin’ny fikatsahana tsy misy onony tombontsoa ao anatin’ny fotoana fohy. Noho izany dia hadinontsika ny tena zava-dehibe hoe mba hivelaran’ny olona dia samy ilainy ny dikany sy firindrana amin’ny tontolo manodidina azy, ary koa fandriampahalemana sy zava-mampiadana ara-batana.” (F. Lenoir)
Ireo fisaintsainana ireo dia mitaona antsika hanontany tena ny amin’ny dikan’ny fiainantsika, ny amin’ireo antony manosika sy tanjona tiantsika hotratrarina. Ny zavatra rehetra eo amin’ny fiarahamonina misy antsika dia natao mba hanakana antsika tsy hieritreritra izany. Ireo fihevitsika dia voafaritry ny haino aman-jery misy hatraiza hatraiza.
Mifanohitra amin’izany kosa, Andriamanitra dia mampirisika antsika mba hiato kely, hieritreritra : „Hevero ny làlanareo” (Hagay 1:5). Ahoana no hahalalana raha mifanaraka amin’ny fihevitr’Andriamanitra ny fomba fiainantsika na tsia ? Tsy tokony hitoky amin’ny fahatakarantsika samirery isika rehefa manombantombana ny fiainantsika, fa hanao izany fandinihana izany eo ambany fahazavan’ny Tenin’Andriamanitra. „Fanilon’ny tongotro sy fanazavana ny làlako ny teninao” (Salamo 119:105).
Ny Baiboly dia manome antsika oha-piainana ankasitrahin’Andriamanitra, na mifanohitra amin’izany, melohiny. Fa ambonin’ny zavatra rehetra, ny Baiboly dia maneho amintsika ny fiainan’i Jesosy. Andriamanitra Izy tenany mihitsy no nanambara fa nankasitrahiny avokoa ny lafim-piainany rehetra : „Ity no Zanako malalako, Izay sitrako” (Matio 17:5). Jesosy, Ilay olona lavorary, dia apetraka eo anoloantsika ho ohatra alain-tahaka. Velona ho an’i Jesosy sy mikatsaka hanahaka Azy, izany no hampisy dikany lalina ny fiainantsika.