Alahady 6 Oktobra 2024

Sambatra ny olona izay voavela ny helony : (ny tsy fankatoavany an’Andriamanitra). Salamo 32:1

Sambatra izay olona manan-kery avy aminao (avy amin’Andriamanitra). Salamo 84:5

 

Mikatsaka ny fahasambarana

Ny tena fahasambarana dia mifamatotra amin’ny fifandraisantsika amin’Andriamanitra, Ilay „Andriamanitra finaritra” (1 Timoty 1:11). Ny Teniny, ao amin’ny Baiboly, dia milaza amintsika ny fomba iainana io fahasambarana io :

— Mba ho sambatra, dia tsy maintsy mahafantatra aloha, voalohany indrindra, fa voavela heloka. Raha miaiky ny fahotantsika amin’Andriamanitra isika, Andriamanitra Izay mahatoky sy marina dia mamela izany (1 Jaona 1:9). Dia vita fihavanana amin’Andriamanitra isika, ary ambarany fa marina.

— Mba ho sambatra, dia tsy maintsy afaka ihany koa amin’ny tahotra ny fahafatesana, izany hoe manana ny fiainana mandrakizay. Mandray izany isika rehefa mino an’i Kristy, satria izay mino Azy dia manana ny fiainana mandrakizay (Jaona 3:16). Io fiainana io dia mametraka antsika ao amina fifandraisana mahatretrika amin’Andriamanitra, rehefa takatsika fa Jesosy dia nampahafantatra antsika an’Andriamanitra ho Raintsika (Jaona 20:17). Zanany isika. Tia antsika Izy.

— Ny hoe sambatra, dia tsy hoe tsy azom-pahoriana, fa hoe manana ny Tompo Jesosy miaraka amin’ny tena, ary vavolombelony. Ao amin’ny Filazantsara, Jesosy dia mampiasa ny teny hoe „sambatra” ho an’ireo manetry tena sy ireo mitomany, ireo maneho hamoram-panahy, ireo noana sy mangetaheta fahamarinana, ireo miantra, ireo madio am-po, ireo mpampihavana… (Matio 5:3-9).

Ho sambatra isika raha manara-dia an’i Jesosy sy mankatò ny Teniny : ndao hitoky aminy, mba ho vavolombelon’ny fiadanana omeny antsika, sy mba ho feno fiantrana an’ireo manodidina antsika.

Io fahasambarana io dia ao anaty lalin’ny fon’ireo izay mitomany, toy ny ao amin’ireo miaina fifaliana ihany koa. Tsy miankina amin’ny toejava-mitranga eo amin’ny fiainantsika io fahasambarana io, satria ao amin’Andriamanitra.