Alatsinainy 7 Oktobra 2024
Mifampivavaha (ianareo)… Ny fiàsan’ny fivavaky ny marina dia mahery indrindra. Jakoba 5:16
Aza manahy na inona na inona ; fa aoka ny fivavahana sy ny fifonana mbamin’ny fisaorana no hoentinareo manambara ny fangatahanareo amin’Andriamanitra, amin’ny zavatra rehetra. Filipiana 4:6
Mampahery ny ray aman-dreny kristiana ireo tantara efatra nodinihina faramparany teo. Ireto mbola misy fanamarihana ankapobeny vitsivitsy, momba azy ireo :
— Arakaraka ny toejavatra, dia ny ray na ny reny no mandeha mitady vonjy. Tsy mitovy ny fahatohinan’ny fon’izy ireo ; koa mety ho ny ray na ny reny no afaka mahatakatra kokoa ny olana mahazo ny zanany. Nefa afaka miara-mivavaka ho azy izy mivady.
— Omen’i Jesosy lanja lehibe ny fifamatoran’ny ray aman-dreny sy ny zanaka, izay Izy mihitsy no namorona azy, ary takany ny tebiteby-na ray na reny manahy ny amin’ny famonjena zaza iray. Momba ny zanakavavin’i Jairo, dia nasainy nivoaka ny olona, fa ny ray aman-dreny kosa nasainy nijanona niaraka aminy.
— Ry ray aman-dreny, misy ankizy apetraky ny Tompo ho andraikitsika, aza hadinointsika ny mamahana ny fanahiny, indrindra amin’ny fiarahana mamaky ny Baiboly aminy.
— Na oviana na oviana ny Tompo tsy hihevitra hoe sahisahy loatra ny finoantsika. Tsy manelingelina Azy mihitsy isika raha mivavaka mafy ho ana zanaka ! Melohiny ny tsy finoana, nefa omeny haja mandrakariva ny finoana misisika sy maharitra.
— Manana zatovo zanaka manahiran-tsaina antsika ve isika ? Isika ve efa mieritreritra hatramin’ny hoe efa ratsy loatra ny toerana misy azy ka tsy ilaina intsony ny mivavaka ? Milaza ve isika hoe „Maty ny zaza…” (Marka 5:35) ? izany hoe tsy mila an’Andriamanitra eo amin’ny fiainany izy ary tsy manana fifandraisana aminy na kely aza. Aza mionona amin’izany isika, na oviana na oviana ; ndao hihevitra ny tenin’i Jesosy hoe : „Aza matahotra, minoa fotsiny ihany !” Raha tsy afaka manao na inona na inona intsony isika, dia aoka hiaiky izany. Jesosy mbola mahay manao ny zavatra rehetra ! Koa aza kivy na oviana na oviana, satria Izy manana ny hery hamelona indray ny zanaka iray efa „maty” ara-panahy !