Talata 8 Oktobra 2024
Tamin’ny fahoriany rehetra dia niory koa Izy. Isaia 63:9
Izay narary rehetra dia nositraniny (nositranin’i Jesosy) avokoa, mba hahatanteraka izay nampilazaina an’Isaia mpaminany hoe : „Izy naka ny rofintsika sy nitondra ny aretintsika”. Matio 8:16-17
Nivoaka avy tao amin’ny mpitsabo ahy aho, mpitsabo fantatra hoe mihaino ireo marariny, ary tena ankasitrahina. Nefa tamin’ity hariva ity dia diso fanantenana aho. Misy fanaintainana raiki-tampisaka ato amiko, manasarotra ny fiainako. Efa nozahany imbetsaka aho, fantany tsara ny mahazo ahy, ka toa tsy dia mihaino ahy izy. Mba nantenaiko izy hahatsapa bebe kokoa ny manjo ahy ! Rehefa nivoaka aho dia nieritreritra, tam-pangidiana kely ihany, hoe : „Tsy izy tokoa mantsy no mijaly !”
Ny mpitsabo, rehefa mihaino, dia afaka manampy, mampahery ; nefa ny fangoraham-pony, izay matetika tena azo tsapain-tanana, dia tsy maintsy voafetra ihany. Tsy afaka maka ny toeran’ny marary tsirairay izy, na mizaka izay rehetra aretin’izy ireo.
Fony tetỳ an-tany Jesosy dia nanatona ireo izay nijaly, ary nanasitrana ny marary. Fa Izy kosa dia naka ny toeran’ny tsirairay, araka ny voalazan’ny andinin-tSoratra Masina etsy ambony. Nanasitrana Izy ary tena nangoraka, nahatsapa ny fijalian’izay olona nositraniny.
Jesosy dia olona tena mahatakatra ny mahazo antsika. Voafetra ihany ny fahafahana miray fo ananan’ny olona, na izay tsara indrindra aza. Fa ny fahafahan’i Jesosy ho tohina kosa dia lavorary, ary ireo fihetseham-pony dia tena an’olombelona sady an’Andriamanitra ; koa afaka miombom-po (izany hoe „miara-mijaly”) amin’ireo izay mijaly Izy.
Ry namana kristiana, ianao izay mijaly, angamba ianao tsy nahita olona tena mahatakatra ny fahorianao sy afaka miara-mitondra aminao ny fangirifirianao. Koa aoka ianao hahazo antoka fa hahita fiombonam-po tena izy, eo anilan’ny Mpamonjinao. Ambarao aminy ny fijalianao, satria Izy no hany mahay „miara-mitondra ny fahalementsika” (Hebreo 4:15), Izy tenany dia efa nijaly teny amin’ny lalan’ity tany ity.