Alarobia 9 Oktobra 2024

… mba hanafahany (hanafahan’i Jesosy) izay rehetra nandany ny fiainany rehetra tamin’ny fahandevozana, noho ny tahotra ny fahafatesana. Hebreo 2:15

Koa raha misy olona ao amin’i Kristy, dia olom-baovao izy ; efa lasa ny zavatra taloha, indreo, efa tonga vaovao ireo. 2 Korintiana 5:17

 

Afaka tamin’ny tebiteby momba ny fahafatesana

„Rehefa 10 taona aho dia tonga saina tampoka fa misy farany ny fiainana. Izany dia tamin’ny nahafatesan’ny raibeko. Nahatsapa alahelo lehibe nanenika ahy aho, niaraka tamina fahabangana mangirifiry tato anatiko lalina. Izany fahabangana izany dia noezahako nofenoina, nandritra ny naha zatovo ahy, tamin’ny fifohana sigara, zava-mahadomelina, ary ny herisetra. Nijaly aho, irery, tsy nana-namana, feno tahotra momba ny fahafatesana.

Nahare resaka mikasika an’i Jesosy Kristy aho, tany amina andian’ankizy miara-miala sasatra iray. Toy ny olona mahafinaritra mahay manafaka ahy amin’ny tahotro sy mameno ny banga ao amiko no nahitako Azy, nefa satria tsy mbola te hiala tamin’ny zava-mahadomelina aho, vetivety foana dia nitsahatra tsy liana taminy intsony.

Teo amin’ny faha 23 taonako, dia niditra tany am-ponja aho noho ny fivarotana zava-mahadomelina. Tany aho dia nanomboka indray namaky ny Baiboly sy nivavaka. Rehefa tafavoaka aho, dia navelan’Andriamanitra notaomina kristiana iray hiaraka aminy ho any am-piangonana. Zava-baovao nitranga dia izao : niteny mivantana tao am-poko ny Baiboly. Nasehony tamiko ny toetra maha mpanota ahy, ary koa hoe ny hiafarako dia ho ny helo ; fa nambarany tamiko koa ny fomba hahafahako hiala amin’izany fe-potoana izany, dia amin’ny finoana an’i Jesosy Kristy, Izay”nitondra ny fahotantsika tamin’ny tenany teo ambonin’ny hazo„(1 Petera 2:24). Tamin’io andro io aho dia nanapa-kevitra handray an’i Jesosy teo amin’ny fiainako sy hanaraka Azy. Niova noho izany ny fiainako manontolo : nitsahatra tamin’ny fifohana zava-mahadomelina aho, nangata-pamelana tamin’ireo nanaovako ratsy, ary niezaka nanarina ny fahadisoako araka izay azoko natao.

Ankehitriny, Andriamanitra dia Sakaizako. Fantatro fa voavela ny fahotako, ary rehefa hiseho eo anatrehan’Andriamanitra aho, dia handray ahy hiaraka aminy any an-danitra Izy.”

Guillaume B.