Alakamisy 10 Oktobra 2024

Ny fon’ny olona mihevitra tsara ny halehany ; fa Jehovah ihany no mahalavorary ny diany. Ohabolana 16:9

Maro ny hevitra ao am-pon’ny olona ; fa ny fisainan’i Jehovah no haharitra. Ohabolana 19:21

 

Ny fitantanan’Andriamanitra

Rehefa lazaina ny zava-mitranga iray hoe fitantanan’Andriamanitra, dia satria niseho tamin’ny fotoana nilana azy indrindra izany. Ny fitantanan’Andriamanitra dia fiteny enti-milaza ny fidirany an-tsehatra miafina, Izy Izay Andriamanitra mitondra ny zava-mitranga araka ny tanjona tratrariny. Ny tantara iray ao amin’ny Baiboly dia manasongadina izay antsoin’ny sasany hoe „ny kisendrasendra”, nefa raha ny tena marina dia fitantanan’Andriamanitra tokoa. Tamin’ny ady iray nifanandrinan’ny tafiky Israely tamin’ny tafika syriana, dia nisy lehilahy iray nitifitra kitoatoa tamin’ny tsipìka. Navilin’Andriamanitra anefa ny zana-tsipìka ka nahavoa an’i Ahaba mpanjaka ratsy fanahy teo amin’ny Israely, izay niova fitafy toy ny miaramila tsotra mba tsy ho lasibatry ny fahavalo. Nahavoa azy ilay tsipìka satria tsy nanao fiarovan-tratra izy ary nandratra azy ho faty (1 Mpanjaka 22:34).

Amina toejavatra maro mitranga eo amin’ny fiainany, eo amin’izay ahitan’ny olona sasany izany ho vokatry ny kisendrasendra, ny kristiana kosa dia manaiky ny asa maherin’Andriamanitra. Na tsy takatry ny saintsika aza, dia fantatsika fa „ny zavatra rehetra dia miara-miasa hahasoa izay tia an’Andriamanitra” (Romana 8:28).

Ndao hianatra hatoky bebe kokoa an’Andriamanitra : raha toa isika indraindray malahelo satria novaina, na nofoanana, na nahemotra ny zava-nokasaintsika efa nomanina tsara, dia ndao hahatsiaro fa ireny sampona na toa tsy fahombiazana ireny dia fomba ampiasain’Ilay Andriamanitsika mba hitarihany ny diantsika araka ny fahendreny sy ny fitiavany. Ny tanany mahery dia miasa mihoatra lavitra noho izay heverintsika. Ny andrasany amintsika dia finoana sy fanekena matoky ny sitrapony, Izy Izay te hanisy soa antsika mandrakariva any am-parany (Deoteronomia 8:16).