Zoma 11 Oktobra 2024

Fa na dia nahalala an’Andriamanitra aza izy (ny olona), dia tsy mba nankalaza Azy toy izay mendrika ho an’Andriamanitra, na nisaotra Azy, fa tonga zava-poana izy tamin’ny fisainany, ary tonga maizina ny fony donto. Nandoka tena ho hendry izy, ka tonga adala. Romana 1:21-22

 

Lehilahy sy vehivavy

Rehefa mamaky ny Genesisy, ilay boky voalohany ao amin’ny Baiboly, isika, dia mahita ireo zava-mahatalanjona eo amin’ny fahariana. Andriamanitra no Ilay Mpahary. Nahary tamina teny feno hery Izy (Genesisy 1:3-29). Momba ny olombelona, io boky io dia milaza indrindra hoe : „Lahy sy vavy no namoronany (namoronan’Andriamanitra) azy.”

Ny lehilahy sy ny vehivavy dia noarìn’Andriamanitra hitovy lanja, saingy tsy sahala. Misy hasamihafana fototra eo amin’ny lehilahy sy ny vehivavy, araka ny naharian’Andriamanitra azy ireo.

Izy roa ireo dia samy manana saina, fanahy ary vatana, nefa ao amin’ireo sehatra telo ireo dia noarìn’Andriamanitra ho samy hafa izy ireo, ohatra eo amin’ny lafiny fihetseham-po, na koa eo amin’ny andraikitra tandrify ny tsirairay. Ary tsy maintsy hiteraka vokatra ratsy ny fampifamadihana ny anjara asan’ny lehilahy sy ny vehivavy.

Ao amin’ny fanambadiana dia nakambana ny lehilahy sy ny vehivavy, ary afaka manan-janaka ao amina fiombonana fiainana, fitiavana ary fifanampiana. Io maha iray ny amin’ny saina, fanahy ary vatana io dia tsy manakana ny hasamihafana napetrak’Andriamanitra teo amin’ny maha lahy sy maha vavy. Mivelatra ao anatin’io firaisana sy fifamenoana io ny mpivady.

Mihazona ireo fototra ireo ho zava-tsarobidy ny mpino mahatakatra ny halehiben’Andriamanitra sy ny fahendreny ary ny fitiavany ao amin’ny fahariana. Adidin’ny tsirairay ny mampita ireo fototra ireo amin’ny zanany, mba hiarovany tena tsy ho azon’ny fitaka sy fanangolen’izao tontolo izao, izay mihataka amin’ireo fanorenana napetrak’Andriamanitra, satria nanalavitra an’Andriamanitra.